Index

Proverbes : vahiny

Proverbe 1Akoholahin-tsampy : raha hisy vahiny, dia maneno an-tokonana. [2.415 #6199]
Traduction françaiseCoq d'idole : il chante sur le seuil de la porte pour avertir quand un hôte est sur le point d' arriver. [2.415 #6199]
Interprétation françaiseSe disait des gens vigilants. [2.415 #6199]

Proverbe 2Andro mahatsara vahiny. [2.415 #6539]
Traduction françaiseAu crépuscule du soir, lorsqu' il est clair : il favorise les voyageurs. [2.415 #6539]

Proverbe 3Angaha parasy no hivelona amim-bahiny ? [2.558]
Ny parasy no mivelona amin' ny vahiny. [2.165 #2159, 2.415 #1684]
Traduction françaiseCe sont les puces qui vivent sur les étrangers. [2.415 #1684, 2.165]
Interprétation françaiseIl ne faut pas faire comme elles. [2.415 #1684]
Les gens ne doivent pas faire de même. [2.165]

Proverbe 4Aza manasakaiza vahiny. [2.165 #204]
Aza manasakaiza vahiny, sao mbola tia dia ilaozany. [2.558 #652]
Manakaiza vahiny; mbola tia ka ilaozany. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza fa tsy tokony hiraiki-po amin' izay olona tsy manao afa-tsy mandalo. [1.1]
Enti-milaza fifankatiavana amin' olona miserana ihany, izay voatery hotapahina noho ny fandalovany fotsiny. [1.1]
Traduction françaiseNe prenez pas pour amis des étrangers. [2.165]

Proverbe 5Efa halohalika ny ranom-bary ka tafatsangana hatramin' ny vahiny. [2.558 #1020]

Proverbe 6Fony be tsy mitsitsy, ka efa kely vao mikaroka, nony misy vahiny vao manao sosoa. [2.415 #2362]
Fony be tsy nitsitsy, ka efa kely vao mikaroka ; nony misy vahiny vao manao sosoa. [2.653 #982]
Fony be tsy nitsitsy, ka efa kely vao mikaroka ; nony nisy vahiny vao manao sosoa. [2.974]
Fony be tsy nitsitsy, nony kely vao mipitrapitra, tonga vahiny vao manao sosoa. [2.558 #1193]
Traduction françaiseGaspiller dans l’abondance, et attendre la pénurie pour se déranger ; ne faire du sosoa que pour les étrangers. [2.974 #244]
Quand vous étiez dans l'abondance vous ne ménagiez rien ; maintenant qu' il ne vous reste plus rien, vous cherchez à devenir riche et pour recevoir les étrangers vous faites cuire le riz avec beaucoup d' eau. [2.415 #2362]

Proverbe 7Ilay nanao soa vahiny, ka raha voky izy, dia nilaozany. [2.653 #1122, 2.974 #307]
Ilay nanao soa vahiny : raha voky izy dia lasa. [2.558]
Ilay nanao soa vahiny : raha voky izy dia nandao. [2.558]
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany. [1.1]
Toy ny manao soa vahiny, ka raha voky izy, dia ilaozany mody. [2.165 #577]
Toy ny manao soa vahiny : nony voky izy nanao veloma. [2.558 #4301]
Toy ny manao soa vahiny: raha voky izy, ilaozany mody. [2.653 #3210]
Interprétation malgacheAza miantehitra na miandry valiny amin' izay olona mandala. [1.1]
Traduction françaiseFaire du bien à un hôte de passage : à peine restauré, le voilà qui vous quitte. [2.974 #307]
On fait du bien à un étranger, et quand il est rassasié, il s' en va. [2.165]
Interprétation françaiseMot souvent cité en manière d' excuse par ceux auxquels il s' applique. [2.165]

Proverbe 8Kaodikaody ohatra ny amboam-bahiny: izay mandalo rehetra toa hikapoka daholo. [2.653]
Kaodikaody ohatra ny amboa vahiny, izay mandalo rehetra toa hikapoka daholo. [2.558]

Proverbe 9Manao soa vahiny : ka nony voky izy lasa, fa fony noana no miandriandry. [2.558 #2013]

Proverbe 10Midira ihany na ho bantsika aza ny vahiny. [2.653]
Midira ihany na ho hantsika aza ny vahiny. [2.415 #4049]
Miditra ihany na ho hantsika aza ny vahiny. [2.558]
Traduction françaiseQue l' étranger entre, alors même qu' il se cambrerait. [2.415 #4049]
Interprétation françaiseCe proverbe disait le grand devoir de l'hospitalité. [2.415 #4049]

Proverbe 11Miinvite vahiny tsy avy zao ka sady vintsy ro afake asa. [1.68]
Traduction françaiseInviter des gens qui ne répondent pas, c'est à la fois manger à sa faim et être libéré de ses devoirs. [1.68]

Proverbe 12Miorika tsy vahiny, mivalana tompon-tany. [2.415 #1104]
Traduction françaisePoisson qui remonte le cours d' eau, ce n' est pas un étranger, et quand il le descend il est maître de l' eau. [2.415 #1104]
Interprétation françaiseLe poisson est maître du fleuve ; on disait ces paroles pour signifier : vous êtes de la famille, vous êtes ici chez vous ; on les disait aussi de ceux qui avaient des parents en divers endroits. [2.415 #1104]

Proverbe 13Mitono vomanga sendra vahiny, ka totofy lavenona tsy ho hitany. [2.558 #2482]
Mitono vomanga sendra vahiny : totofy lavenona tsy ho hitany. [2.415 #4051, 2.653 #1888]
Traduction françaiseGriller des patates au moment où les étrangers entrent : il faut les couvrir de cendres afin qu' ils ne les voient pas. [2.415 #4051]
Interprétation françaiseIl n' y avait que les enfants à faire griller ainsi les patates. [2.415 #4051]

Proverbe 14Na manin-kitoetra aza ny vahiny, noroahin' ny efitra natsangana. [2.558 #2727]

Proverbe 15Na nanao tsy hitsangana aza ny vahiny, raha mahita ny ranom-bary halohalika, dia mba hiteny ihany. [2.415 #6517, 2.653]
Traduction françaiseL'hôte a beau s'être promis de ne pas se lever, s' il voit que l' eau où l' on fait cuire le riz arrive jusqu' au genou, il parlera. [2.415 #6517]
Interprétation françaiseDevant une sottise évidente, on ne peut se retenir de donner des conseils. [2.415 #6517]

Proverbe 16Nanasa vahiny tsy tonga: sady voky no afaka adidy. [1.1]
Interprétation malgacheTsy mahafaty antoka akory ny manao ny adidy tokony hoefaina. [1.1]

Proverbe 17Ny anatra, vahiny : tiana, mody mandry ; tsy tiana, mitampody. [2.165 #1588, 2.415 #6521, 2.653 #2157]
Traduction françaiseLes conseils sont comme des hôtes : quand ils se voient bien accueillis, ils couchent ; sinon ils s' en retournent. [2.415 #6521]
Les conseils sont comme des voyageurs (ou des étrangers): si on les accepte, ils logent chez vous; si on ne les aimes pas, il s' en vont chez eux. [2.165]
Interprétation françaiseOn n' est pas obligé de suivre les conseils et les avis. [2.415 #6521]
On peut les accepter ou les rejeter. [2.165]

Proverbe 18Soavaly vahiny ka tsy mahalala an' Isoamahamasina. [2.558 #3906]

Proverbe 19Tompon-tany mahay rano tsangana, ka mandrobo ny vahiny hilentika. [2.558]
Tompon-tany mahay rano tsangana: mandrobo ny vahiny hilentika. [2.653 #3123]

Proverbe 20Vahiny be raharaha : mandia ny raharahan' ny tompontany. [2.558 #320, 2.653 #3593]

Proverbe 21Vahiny isika no aty ambony, fa any no onenana mandrakizay. [2.415 #2932]
Traduction françaiseNous sommes des voyageurs sur la terre, mais c' est dans le tombeau que nous habitons éternellement. [2.415 #2932]
Interprétation françaiseParoles dites par le roi Andrianampoinimerina et passées en proverbe. [2.415 #2932]

Proverbe 22Vahiny mahantra, ka maro mpamakafaka. [2.558 #321]

Proverbe 23Vahiny miserana tsy hita kilema. [2.558 #322]

Proverbe 24Vahiny mpanana ka mampidodododo ny olona. [2.558 #323]

Proverbe 25Vilia tanimanga : na mangiloilo aza tsy fampiseho vahiny. [2.558 #4952]

Index