|
|
|
|

Teny iditra 1  olona
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  7 Teny ilazana ny toetra amam-pomban' ny olombelona (jer. io teny io): Ny fanahy no olona
8 Teny ilazana ny olombelona tsy voafetra mazava na ny toetrany na ny isany: Misy olona mitady anao ao an-tokotany
9 Vahoaka: Olona re izay tao an-tsena tao izay
10 Amin' ny fitenin' ny ankizy, teny entiny milaza ny tenany: Manko ny olona vonoin' i Koto ô! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 a person, somebody, a human being. Olo is used in the provinces. [mal. And other dialects orang, amboyna malona and malono.] [1.2]
12 a human being, man; someone [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 homme, personne; quelqu'un [1.8]
Ohatra  14  Ireto olona tokony ho mpifandrafy. [2.499#95]
15  Vazimba no maromaro teto, olom-pohy [2.48#18]
16  Nanomboka ny fisamborana ny olon' antoko. [2.472#207]
17  ka ny olon-drehetra dia samy mody amy ny havany avokoa. [2.48#453]
Mpanahaka  18  abilin' olona, 19  afa-baraka, 20  afa-boroka, 21  alikan' olona, 22  amboafitritra, 23  amboan' olona, 24  androvo, 25  bandro, 26  faikan' olona, 27  fakon' olona, 28  farafaikan' olona, 29  fatritran' olona, 30  fototr' olona, 31  fotsy fanahy, 32  heni-kaja, 33  karin' olona, 34  kitoatoan' olona, 35  kolokolon' olona, 36  lamokan' olona, 37  manam-panahy, 38  manary ilo mby an-doha, 39  maniva tena, 40  mavoin-tena, 41  mialabara-tena, 42  olom-banona, 43  olom-boantsongo, 44  olona lany hasina, 45  olona lany henatra, 46  olona mamoa fady, 47  olona tsy manjary, 48  olona tsy vaky afero, 49  olona tsy vaky atatra, 50  olona tsy vanona, 51  tsaikan' olona, 52  tsy manan-kenatra, 53  tsy misangy hajan-tena, 54  tsy valahara, 55  tsy voavidim-bola, 56  tsongoin' olom-bolo, 57  voahangy tsy arahin-katina
Fikambanana  58  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 189 misy ny teny how olona
Ohabolana  59  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  60 Randzavola: olona ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22