|
|
|
|

Teny iditra1  voninahitra
Singan-teny  2 vony, 3 ahitra
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  5 Fankatoavana olona noho ny hatsaram-panahiny na fahaizany na zavatra lehibe vitany: Nahazo voninahitra izy tamin' ny nandreseny ny fahavalo
6 Fiamboniana, fiandrianana: Nitandro mafy ny voninahiny izy ka tsy nanaiky ny hiray tetika amin' ny olon-dratsy
7 Mariky ny hambonian-toerana na laharana ananana eo amin' ny firenena: Natao roa ambin' ny folo voninahitra izy
8 Dera sy laza: Voninahitra anie ho an' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 glory, honor [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 gloire, honneur [1.3, 1.8]
11 grade, dignité [1.3]
12 (de vony : fleur et ahitra : les herbes, notamment les Poaceae). Nom qui a pris le sens abstrait de : honneurs, grades militaires, dignité, etc. Les rois malgaches se comparaient eux-mêmes aux fleurs des Poaceae ; leur peuple représentant les racines et les tiges, d'où la notion de solidarité entre le peuple et son roi : si les tiges se fanent, la fleur est également détruite [1.196]
Ohatra  13  tamin' ny Alakamisy 3 Septembre 1868 no nisehony tamim-boninahi-lehibe tao Andohalo [2.649#1111]
14  nampodina avokoa ny voninahitry|voninahitro izay niongana tamin dReniny, dia nody ny voninahitry|voninahitro [2.59#32]
15  Ary ny manamboninahitra irak' andriana niaraka tamin-dRainiliza 15 voninahitra sy Rainiboana 15 voninahitra sy Ratsimitamby 14 voninahitra sy Rainivaomialy 13 voninahitra [2.366]
Haiendriteny 
16  Tsotra :
17  Tovonana :
Mpanahaka  18  vtra, 19  vtra
Kamban-teny rehetra  20  Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  21  Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  22  Soratra misy io teny io
Lahatsoratra  23 Randzavola: voninahitra ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17