|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  amboa
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 alika. [Taisaka] [1.78]
4 Biby mampinono, homan-kena, mizara ho karazana telo: mpiandry tanàna, mpihaza, mpanjohy ny olombelona. Mety ho velona hatramin' ny roapolo taona ny amboa; ny filaza ny feony dia ireto avy: mivovò, minaonaona, mitomany valala. Ny amboa dia lazaina koa hoe alika, izay fampiasan' ny olona matetitetika kokoa ankehitriny, nefa ny amboa no tena malagasy hiringiriny, ka ny ahatsapana izany dia ny habetsahan' ny ohabolana misy ny teny hoe amboa, izay bebe kokoa noho ny izay ahitana ny teny hoe alika. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 a dog. [Swa. mboa, a dog.]. [1.2]
6 a dog (a Bantu word). [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 chien. [1.54, 1.13]
8 chien (mot bantou). [1.8]
Ohatra  9  Tsy maniry lambo an'ala
fa manana amboa mahay mihaza
tsy maniry vorona an-danitra
fa tsara basy an-tanana
[2.131]
10  Sady matahotra ahy daholo koa ireo amboa maty ireo, ka raha vao tandindomiko fotsiny ireo dia mangovitra. [2.472]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Voambolana  18  Haibiby: mampinono
Mpanahaka  19  alika, 20  batritra, 21  fakonolona, 22  fandroaka, 23  karinolona, 24  katritra, 25  tsaikanolona
Kamban-teny rehetra  26  Fikambanana 59 amin' io teny io
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  28 Randzavola: alika sy amboa ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)29  amboa
Sokajin-teny  30  anarana
Fanazavàna teny frantsay  31 Se disait de gens éhontés. [2.415]
Sampanteny 
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  33  Fikambanana 2 amin' io teny io

Fivaditsoratra  34 ambao, 35 amboa, 36 aomba, 37 Moaba

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09