|
|
|
|

Teny iditra1  manao
Fototeny  2 tao
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mamorona zavatra vaovao: I Denis Papin no nanao ny masinina mandeha amin' ny herin' ny etona
5 Mahary, mampisy ny tsy misy: Andriamanitra no nanao izao tontolo izao
6 Manamboatra, manangana, mandrafitra: Nanao trano any ambanivohitra izahay ~ Manao latabatra
7 Mikarakara sy mahavita, manatanteraka asa iray: Aoka samy hanao ny adidiny ~ Tsy hanao izany tetika amporisihinao izany aho na homenao vola be aza
8 Miteny, milaza: Dia hoy Andrianampoinimerina nanao hoe: "Ny ranomasina no valampariako"
9 Milatsaka, mirotsaka amin' ny raharahairay: Nanao dokotera ny zokiko
10 Mihevitra: Manao ahy ho badolahy manko ianao
11 Mikasa, mitetika: Nanao handeha rahariva izy
12 Mitondra (akanjo, fitafiana na haingo) eny amin' ny tena: Tonga nitady anao teo ilay olona manao solomaso mainty iny
13 Mametraka: Iza no nanao ny kofafa teto ambony latabatra? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 to do, to act; to think [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 faire, agir; penser [1.8]
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
19  Filaza mandidy :
Mpanahaka  20  jenitra, 21  mamonomasoandro, 22  manaodiamanao, 23  manaotokoa, 24  miadyfo, 25  mialanenina, 26  mikatroka, 27  mimaso, 28  mimokitra, 29  miotrikotrika, 30  somokotra, 31  tsymanamohamo, 32  tsymihambahamba, 33  tsymivandy
Kamban-teny rehetra  34  Fikambanana 440 amin' io teny io
Ohabolana  35  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  36 Amona, manao, 37 manoa, 38 Maona, maona, 39 moana, 40 omana, 41 Onama

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21