Entrée adijady
Partie du discours nom
Explications en malgache Laharana fahafolo amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-djadi (Chevreau).
Ny Adijady dia reni-vintana mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy. Eo anjorom-baravarankely (avaratra-andrefana) no filaharany.
Ny zaza teraka amin' ny vava-Adijady, hono, dia jadijadina, izany hoe, sady vitsy teny no jinijinina; nefa kosa izay teraka amin' ny vontony sy ny vodiny dia heverina ho tsara vintana ihany.
Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadona tokoa; ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' izany. Io no tonon' andro tsara ho fampidiram-pananana, na andevo hovidiana, na biby hopiana, na vary hatao an-davaka, na vola hotehirizina an-kitapo. Io koa no tonom-bintana fangalana vohitra sy fanorenan-trano. Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara hampakaram-bady, fa savihin' ny andro mafy ka tsy ho afaka hisara-belona: "Lamban' akoho" ny fanambadiana atao Adijady, "ka faty no isarahana."
Ny Asorotany no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adijady, fa samy henjana ireo, ka tsy mahay miaraka; koa dia ny mitanila eo amin' ny Alahatsy sy ny Adizaoza no iarenany sy iandrianany.
Ny ranon' erika dia atao ho Adijady, fa mahamerika andro ny Adijady, ka be vaky siny ny mpantsaka, misy mirodona ny tokotany. Miantomboka mitomany ny tompon' ireo, ary mitohy amin' ny Adalo be ranomaso izany. [1.10]
  [3.1]
 Anaran' ny volana fahafolo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Alakaosy ary alohan' ny Adalo, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy ao antrano dia eo amin' ny zorony avaratra andrefana (zorom-baravarankely). Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadina mafy, ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' io
Fanandroana: vavany: alam-bintana fandrao dia mijadina loatra ka tsy miteny; vontony: tsara ihany; vodiny: tsara ihany [1.1]
Explications en anglais The name of the tenth month in the Malagasy year. [Ar. Al-dschadiu - Capricorns.] [1.2]
Explications en français Nom de la dixième lune et du dixième mois de l'année malgache [1.3]
Exemples 
1ny adijady amin' ny andrefana-avaratra, an-jorom-barava-ran-kely. [2.296]
2fa nony Asabotsy 28 Janoary, 11 Adijady dia namely mafy ny rivotra; [2.59]
Vocabulaire 
Tableaux et planches Mesure du temps
Proverbes 

Entrée adijady
Partie du discours nom
Explications en malgache Zana-pehintany 23°27'30" atsimon'ny fehibe [1.13]
Explications en français Tropique du Capricorne [1.13]
Vocabulaire 
Analogues  asorotany ~ zana-pehintany
Illustrations 

Entrée adijady
Partie du discours nom
Explications en malgache  [Taimoro] Latsa, fanalikalikana, ompa [1.78]

Anagrammes 

Mis à jour le 2022/05/24