|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  volana
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  [vôlaña] 3 teny [Sihanaka] [1.78]
4 Teny atao, teny aloakan' ny vava [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 speaking [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 speech [1.3, 1.7]
7 parole [1.3, 1.8]
8 promesse, engagement [1.3]
9 action de parler [1.8]
Haiendriteny 
10  Tsotra :
11  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  21  Haiteny
Tovy hevitra  22 kabary
Kamban-teny rehetra  23  Fikambanana 50 amin' io teny io
Ohabolana  24  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/4)25  volana
Sokajin-teny  26  anarana
Fanazavàna teny malagasy  27 Antontan-javatra mihodina manodidina ny tany nefa mandray hazavana avy amin' ny masoandro, ka io hazavana io no atarany ety amin' ny tany rehefa mifanitsy ny faritra voazavan' ny masoandro aminy sy ny tany: Telo andro sisa dia ho fenomanana ny volana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  28 the moon [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  29 la lune [1.8]
Ohatra  30  Ny kintana sy ny volana amin'ny alina ny andrandrainy sy mahazatra ny masony [2.470]
31  Fa tsy misy kintana. Tsy misy volana. Tsy misy lanitra!... [2.471]
Voambolana  32  Haikintana
Mpanahaka  33  fenomanana
Kamban-teny rehetra  34  Fikambanana 45 amin' io teny io
Ohabolana  35  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  36 Randzavola: volana ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (3/4)37  volana
Sokajin-teny  38  anarana
Fanazavàna teny malagasy  39 Ny fotoana ihodinan' ny volana manodidina ny tany
40 Ny volana malagasy dia mifanentana amin' ny fihodinan' ny volana manodidina ny tany mihitsy ka maharitra 28 andro mahery kely hatrany ary roa ambin' ny folo no isany:
41 alahamady,
42 adaoro,
43 adizaoza,
44 asorotany,
45 alahasaty,
46 asombola,
47 adimizana,
48 alakarabo,
49 alakaosy,
50 adijady,
51 adalo,
52 alohotsy, fa ny volana vazaha kosa dia notsinjaraina mitovitovy faharetana fotsiny:
53 zanvie: 31 andro, fevrie: 28 na 29, marsa: 31, avrily: 30, may: 31, jiona: 30,
54 jolay: 31, aogositra: 31, septambra: 30, oktobra: 31, novambra: 30, desambra: 31. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  55 a month [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  56 le mois [1.8]
57 mois [1.13]
Ohatra  58  Efa iray volana sy tapany no nipetrahan-dRandrianaivo tao Antsirabe [2.324]
59  Afaka roa volana eo ho eo, hono, dia handalo ny mpisafo [2.470]
60  volana vitsivitsy taorian'izay, nisy vaovao lehibe anankiray hafa koa, ary nikasika ny miaramilam-potaka ity [2.472]
61  Ka jereo tokoa fa ireo anaram-bolana vaovao (alahamady, adaoro, adizaoza - asorotany, alahasaty, asombola - adimizàna, alakarabo, alakaosy - adijady, adalo, alohotsy) izay nisolo ny anaram-bolana malagasy mbola voatahirin' ny Betsileo sy ny tanin-drana (asaramanitra, vatravatra, asotry - hasiha, valasira, faosa - maka, hia, sakamasay - sakave, volambita, asa-ramaimbo), ny anaran' ny andro fito amin' ny herinandro, ny sorabe (fomba fanoratra hain' ny Ombiasy teo aloha), ny fombam-panandroana sy ny fomban-tsikidy: miharihary fa avy amin' ny Talaotra avokoa. [2.296#]
Voambolana  62  Fotoana
Zanakanarana 
Kamban-teny rehetra  139  Fikambanana 17 amin' io teny io
Ohabolana  140  Ohabolana misy io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  141  Fizaran' andro
Lahatsoratra  142 Randzavola: volana ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (4/4)143  volana
Sokajin-teny  144  anarana
Fanazavàna teny frantsay  145 à l'origine du nom des pièces de monnaie, rondes comme cet astre vu dans son plein [1.196]
Voambolana  146  Toe-karena: ara-bola ary fitantanana
Kamban-teny rehetra  147 mahabevolana

Fivaditsoratra  148 lovana, 149 valona, 150 volana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/13