| Fanazavàna teny malagasy |
4 Manitsaka, mandeha amin' ny...: Tsy hahazo mandia ny faritanin' Antananarivo io olona io mandritra ny dimy taona.
5 Mamakivaky: Mandia taon-tsarotra izao tontolo izao fa saika misy korontana hatraiza hatraiza.
6 Mandrefy amin' ny tongotra: Mandia ny lavan' ny trano Rabe.
7 Mihatra: Mandia ny voalazako omaly fa indro tokoa àry famisy rivo-doza, hono, mananontanona ny morontsiraka atsinanana.
8 Mivaly: Mandia ny fikelezanao aina fa afaka soa aman-tsara ianao.
9 Mifanojo: Mandia ny hevitro lahy ny hevitrao!.
10 Tanteraka, mifanaraka amin' ny...: Salama daholo ny mponina ao Mangarivotra, mandia tokoa lahy ny anaran' io tanàna io.
11 Teny misy ifandraisany amin' ny Mandia: manitsaka, mandeha, mizotra, mivikiviky, mijaingijaingy, mijongijongy, mamikavika dia, mamilafila, mamindrafindra, manevika, mananika, miakatra, miorika, midina, mivalana, manao hitsin-dalana, manao toratady, manao dian' omby jamba, manara-drenirano, miraparapa, miparapaingo, mivarina an-kady, mifatratra an-kady, mianjera an-tevana, manao rebik' ondry, manao raban-tsahona, manao fitandririnina, mijaikojaiko, mitsaitsaika, mirodorodo, migodongodona, manao findrari-tsokina, manao dia mianotra, mihemotra, miantsorona, miantsoro-mianotra, mihazo, momba, mandalo, manapaka, manitsy, mamakivaky, manavatsava, mikatsakatsaka, manivaka, mivily, misondrovaka, mody mandry, mitampody, manao tampody fohy, manao lavalina, mandry an-dalana, manorin-day, manorindasy, miantsona, miondrana, mita, miampita, midika, mitody.
[1.1]
|