|
|
|
|

Teny iditra 1  ady
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  25 Fifamelezana, fifanafihana amin' ny basy aman-defona: Nahafaty olona antapitrisany maro ny ady lehibe roa farany
26 Fifampitoriana any amin' ny Fitsarana: Manana ady amin-dRakoto, hono, Rabe
27 Tsy fifanarahana, mety hiafara amin' ny fifamaliana mafy na amin' ny fifamelezana mihitsy aza: Ady be ny azy roa lahy momba ilay boky nindramin-dRanaivo ha veriny
28 Fihaonan' ny rafitra, fifanarahan-doko, fitovian' ny zavatra adika amin' ny dikany: Manaitra ny maso avy hatrany ny adin' ny loko amin' ity sary ity [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  29 A fight, combat, quarrel, contention, battle, dispute, contest, attack, assault, war. Also of things fitting well, as a door and its posts, two straight pieces of wood fitting well together, two bricks, etc. etc. With suffix pronoun -ny, as adiny, it means a something difficult to be done. [Jav. Avd (?); or Ar. Adava.] [1.2]
30 fighting, war [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  31 guerre [1.3#2, 1.8, 1.5]
32 combat [1.3#2, 1.8, 1.13, 1.5]
33 discussion, dispute [1.3#2, 1.5]
34 procès [1.3#2, 1.5]
35 bataille
36 Ajustage, jonction, mélange des couleurs, accord d'une copie avec son original
37 accord des instruments ou des voix [1.3#2]
38 lutte [1.13]
Ohatra  39  maty tany an'ady izy (il est mort à la guerre) [1.3]
40  mahery an' ady izy (il est valeureux dans les combats) [1.3]
41  nanao ady samy irery Davida sy Goliata (David et Goliath se battirent en combat singulier) [1.3]
42  manana ady izy (il est en procès) [1.3]
43  mba taiza no nahita ady hianao? [2.324]
44  maty maina ireo namoy ny ainy, tsy nahatohitra ny ady tsy omby tratra, ady tamin' ny hery setra, ady koa tamin' ny zehitra, izay samy nilomany. [2.472#184]
Mpanahaka  45  adilahy, 46  fanditra, 47  fanjihitra, 48  fetrivoho, 49  fifandirana, 50  fifanjihirana, 51  gidragidra, 52  kisa, 53  sentsena, 54  sotasota, 55  vaniny, 56  vezovezo
Fikambanana  57  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 162 misy ny teny how ady
Ohabolana  58  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  59 Randzavola: ady ao amin' ny Baiboly (=> fahirano)

Fivaditsoratra  60 Adì, ady, 61 day, 62 dia

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22