|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 alatsinainy
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3(Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy..
4-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy..
5Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy..
6Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana..
7Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io..
8Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy.. [1.10]
9andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.]. [1.2]
11Monday.. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12le lundi.. [1.3, 1.8]
13lundi.. [1.5]
14lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi]. [Tanala] [1.6]
Ohatra  15 Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
16 Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Voambolana  17 Fotoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Kamban-teny rehetra  27Fikambanana 3 amin' io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  28 Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)29 Alatsinainy
Sokajin-teny  30 anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  31anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  32the place of holding Monday's market.. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  33noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement.. [1.3]
34marché du lundi.. [1.5]
Voambolana  35 Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  36 alatsinainy, Alatsinainy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/06