Index

Proverbes : masiaka

Proverbe 1Aleo enjehin' ny omby masiaka toy izay enjehin' ny fieritreretana. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza ny hamafin' ny fanjohian' ny eritreritra raha toa ka nisy ratsy nataon' ny tena. [1.1]

Proverbe 2Ankadivory masiaka amboa : mandany zara ny tompony. [2.558 #270, 2.653 #239]
Masiaka amboa an-kadivory, ka mandany zara ny tompony. [2.165 #433, 2.415 #5703]
Masiaka amboa an-kadivory : mandany zara ny tompony. [2.653 #1646]
Masiaka amboa hadivory ka mandany zara ny tompony. [2.558 #2151]
Traduction françaiseChien méchant dans un enclos : il enlève à ses maîtres, tous les bons partis de mariage, car on a peur d' entrer. [2.415 #5703]
Un chien féroce qui se tient dans le fossé fera du tort à son maître. [2.165]
Interprétation françaiseSe disait des parents méchants qui étaient un obstacle au mariage de leurs filles. [2.415 #5703]
S' il a une fille, par exemple, elle n' aura pas de prétendant, car, à cause du chien, personne n' osera approcher. [2.165]

Proverbe 3Ibory tsy mba masiaka fa ny haolo rohizana. [2.558 #1392]

Proverbe 4Jiolahy matin' ny omby masiaka, ka matin' ny loza ny antambo. [2.558 #1567]

Proverbe 5Mahatsiravina hoatry ny biby masiaka. [2.415 #428]
Traduction françaiseCe sont des guerriers aussi redoutables que les bêtes féroces. [2.415 #428]

Proverbe 6Masiaka be ronono, maditra niampidera tandroka, fa raha tonga ny vilona manaiky ho fatorana. [2.558]

Proverbe 7Mpamosavy natakalo omby mahery: lasa ny loza, fa tonga ny antambo. [2.165 #52]
Mpamosavy natakalo omby masiaka : lasa ny loza, fa mirotsaka ny antambo. [2.653]
Mpamosavy natakalo omby masiaka : lasa ny loza, fa tonga ny antambo. [2.653]
Traduction françaiseUn sorcier échangé contre un bœuf sauvage: à une calamité en succède une autre plus terrible encore. [2.165]
Interprétation française"Tomber de Charybde en Scylla" . [2.165]

Proverbe 8Tsy mety raha sady ombilahy no masiaka. [2.165 #385]
Traduction françaiseC' est trop d' être un taureau et encore furieux par-dessus le marché. [2.165]

Proverbe 9Zanak’ aomby masiaka tsy matahotra an-dreniny. [1.147 #Z8]

Index