Index

Proverbes : manalavitra

Proverbe 1Boka matin' ny nendra : indroa manalavitra ny fasan-drazana. [2.415 #1960, 2.653 #786]
Traduction françaiseLépreux qui meurt de la petite vérole : il est deux fois exclu du tombeau des ancêtres. [2.415 #1960]
Interprétation françaiseLes lépreux et les gens qui mouraient de la petite vérole, étaient exclus du tombeau de famille ; ce proverbe se disait des gens atteints de plusieurs calamités. [2.415 #1960]

Proverbe 2Mpilomano tsy mahay, ka tsy manalavitra ny lakana (morona). [2.558 #2621]
Mpilomano tsy mahay rano (izahay), ka tsy mba manalavitra ny lakana. [2.653 #1986]
Mpilomano tsy mahay rano, ka tsy mba manalavitra ny lakana. [2.415 #818]
Traduction françaiseNous sommes des nageurs ne sachant pas bien nager : nous ne nous éloignerons pas de la pirogue. [2.415 #818]
Interprétation françaiseCe proverbe disait la nécessité d' un appui. [2.415 #818]

Proverbe 3Nataonao tsy hijoro angaha aho no nanalavitra ity hianao? [2.558 #2768]

Proverbe 4Ny fanambadiana ohatra ny menaka, ka raha manalavitra ny afo, dia mandry. [2.653]
Ny fanambadiana tahaka ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry. [2.558 #193]
Ny fanambadiana tahaky ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry. [2.415 #1216]
Traduction françaiseIl en est du mariage comme de la graisse : quand on l' éloigne du feu, elle se fige. [2.415 #1216]
Interprétation françaiseLoin des yeux, loin du coeur. [2.415]

Proverbe 5Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: atonina manalavitra, alavitina manatona. [2.558 #2985]
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: hatonina, manalavitra; hala-virina, manatona. [2.165 #161]
Traduction françaiseL' amitié est comme les algues: quand on s' en approche, elles s' éloignent; et quand on s' en éloigne, elles se rapprochent. [2.165]

Index