<-
->

Fah 6:1 Koa mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara; mihainoa ny fampianarana, hianareo mitsara hatramin' ny faran' ny tany. Ecoutez donc, rois, et comprenez! Instruisez-vous, juges des confins de la terre!
Fah 6:2 Mampandria sofina, hianareo manapaka ny sarambabem-bahoaka, hianareo mirehareha amin' ny fifehezanareo vahoaka be. Prêtez l' oreille, vous qui dominez sur la multitude, qui vous enorgueillissez de foules de nations!
Fah 6:3 Fantaro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery, ary ny Avo Indrindra no nanome anareo ny fahefana, dia izy no handinika ny asanareo, sy hizaha toetra ny hevitrareo. Car c' est le Seigneur qui vous a donné la domination et le Très-Haut le pouvoir, c' est lui qui examinera vos oeuvres et scrutera vos desseins.
Fah 6:4 Noho hianareo izay mpanao raharaha amin' ny fanjakany tsy mbola nitsara ara-drariny, na nitandrina ny lalana, na nandeha araka ny sitrapon' Andriamanitra; Si donc, étant serviteurs de son royaume, vous n' avez pas jugé droitement, ni observé la loi, ni suivi la volonté de Dieu,
Fah 6:5 dia hiantefa aminareo izy mahatsiravina sy tampoka fa fitsarana mafy no hatao amin' izay mandidy. il fondra sur vous d' une manière terrifiante et rapide. Un jugement inexorable s' exerce en effet sur les gens haut placés;
Fah 6:6 Ny madinika, avela heloka amim-pamindram-po, fa ny manam-pahefana kosa faizina mafy. au petit, par pitié, on pardonne, mais les puissants seront examinés puissamment.
Fah 6:7 Tsy misy olona hihemoran' Ilay Mpanjakan' ny olona rehetra, ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso; fa samy nohariny ny lehibe sy ny kely, ary samy ahiny na ireto na iretsy. Car le Maître de tous ne recule devant personne, la grandeur ne lui en impose pas; petits et grands, c' est lui qui les a faits et de tous il prend un soin pareil,
Fah 6:8 Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy. mais une enquête sévère attend les forts.
Fah 6:9 Koa dia hianareo no hitenenako, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena, ka tsy ho lavo hianareo. C' est donc à vous, souverains, que s' adressent mes paroles, pour que vous appreniez la sagesse et évitiez les fautes;
Fah 6:10 Izay mitandrina ny lalana masina, amim-pahamasinana, hohamarinina; ary izay mianatra azy hanan-kavaly. car ceux qui observent saintement les choses saintes seront reconnus saints, et ceux qui s' en laissent instruire y trouveront leur défense.
Fah 6:11 Koa aoka hankamaminareo ny teniko; aoka haniry azy hianareo dia hahazo fampianarana. Désirez donc mes paroles, aspirez à elles et vous serez instruits.
Fah 6:12 Ny fahendrena dia mamirapiratra, tsy mety matroka hatsarana; mora mahita azy ny olona raha tia azy izy, ary mora mahazo azy raha mitady. La Sagesse est brillante, elle ne se flétrit pas. Elle se laisse facilement contempler par ceux qui l' aiment, elle se laisse trouver par ceux qui la cherchent.
Fah 6:13 Mitsena an' izay mitady azy izy, ary miseho aminy voalohany. Elle prévient ceux qui la désirent en se faisant connaître la première.
Fah 6:14 Izay mifoha maraina koa hitady azy, tsy mananosarotra, fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany. Qui se lève tôt pour la chercher n' aura pas à peiner il la trouvera assise à sa porte.
Fah 6:15 Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary, ary ny miari-tory noho ny aminy, dia ho afak' ahiahy vetivety; Méditer sur elle est en effet la perfection de l' intelligence, et qui veille à cause d' elle sera vite exempt de soucis.
Fah 6:16 mandeha mivezivezy atsy amin' ary izy, mitady an' izay mendrika azy, miseho amin' ireny eny an-dalan' izy ireo izy amim-pihavanana, ary manampy azy amin' ny hevitra kasainy rehetra. Car ceux qui sont dignes d' elle, elle-même va partout les chercher et sur les sentiers elle leur apparaît avec bienveillance, à chaque pensée elle va au-devant d' eux.
Fah 6:17 Fa ny fiandohan' ny fahendrena mahatoky dia ny faniriana ny fampianarana. Car son commencement, c' est le désir très vrai de l' instruction, le souci de l' instruction, c' est l' amour,
Fah 6:18 Ary ny miahy ny fianarana kosa mitarika ho amin' ny fitiavana, ny fitiavana mampitandrina ny lalàny, ny fitandremana ny lalàny ahazoana antoka ny tsy fahafatesana mandrakizay. l' amour, c' est l' observation de ses lois, l' attention aux lois, c' est la garantie de l' incorruptibilité,
Fah 6:19 ary ny tsy fahafatesana mandrakizay ahazoan-toerana eo akaikin' Andriamanitra. et l' incorruptibilité fait qu' on est près de Dieu;
Fah 6:20 Noho izany, ny faniriana ny fahendrena, mampahazo fanjakana, ainsi le désir de la Sagesse conduit à la royauté.
Fah 6:21 koa raha maminareo, ry mpanjakan' ny vahoaka, ny seza fiandrianana amam-tehim-panjakana: hajao ny fahendrena mba hanjaka mandrakizay. Si donc trônes et sceptres vous plaisent, souverains des peuples, honorez la Sagesse, afin de régner à jamais.
Fah 6:22 Fa ny hoe inona no fahendrena, ary inona no fihaviany, dia hasehoko izao, ary tsy afeniko aminareo ny misterin' Andriamanitra. Hatomboko hatrany amin' ny fiandohan' ny nahariana ny zavatra, hasehoko mazava izay rehetra momba azy, ary tsy hivily hiala amin' ny marina aho. Ce qu' est la Sagesse et comment elle est née, je vais l' exposer; je ne vous cacherai pas les mystères, mais je suivrai ses traces depuis le début de son origine, je mettrai sa connaissance en pleine lumière, sans m'écarter de la vérité.
Fah 6:23 Lavitra ahy ny hiara-dàlana amin' ny fialonana mandevona! fa tsy mba manana anjara amin' ny fahendrena io, na dia kely aza. Oh! je ne ferai pas route avec l' envie desséchante elle n' a rien de commun avec la Sagesse.
Fah 6:24 Ny habetsahan' ny hendry dia famonjena ny tany; ary ny mpanjaka hendry dia fanambinana ny vahoakany. Une multitude de sages est le salut du monde, un roi sensé fait la stabilité du peuple.
Fah 6:25 Koa raiso ary ny fampianarana amin' ny teniko, dia hahita soa amin' izany hianareo. Laissez-vous donc instruire par mes paroles : vous y trouverez profit.

<-
->