<-
->

Fah 13:1 Tena toetra adala ny an' ny olona rehetra tsy nahalala an' Andriamanitra, ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an' Ilay misy ho azy, ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an' ilay mpanao azy. Oui, vains par nature tous les hommes en qui se trouvait l' ignorance de Dieu, qui, en partant des biens visibles, n' ont pas été capables de connaître Celui-qui-est, et qui, en considérant les oeuvres, n' ont pas reconnu l' Artisan.
Fah 13:2 Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika, ny fanilon' ny lanitra, ny faribolan' ny kintana, ny rano mirimorimo, no nataony ho Andriamanitra mitondra izao rehetra izao. Mais c' est le feu, ou le vent, ou l' air rapide, ou la voûte étoilée, ou l' eau impétueuse, ou les luminaires du ciel, qu' ils ont considérés comme des dieux, gouverneurs du monde!
Fah 13:3 Raha renoky ny hatsaran-tarehin' ireo izy ka nanao ny zava-boahary ho Andriamanitra dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo, fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an' ireny. Que si, charmés de leur beauté, ils les ont pris pour des dieux, qu' ils sachent combien leur Maître est supérieur, car c' est la source même de la beauté qui les a créés.
Fah 13:4 Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagany, aoka ho fantany amin' izany ny halehiben' ny fahefan' izay nanao an' ireny. Et si c' est leur puissance et leur activité qui les ont frappés, qu' ils en déduisent combien plus puissant est Celui qui les a formés,
Fah 13:5 Satria ny fahamboniana sy ny fahatsaran-tarehin' ny zava-boahary, dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahafan' izy roa tonta. car la grandeur et la beauté des créatures font, par analogie, contempler leur Auteur.
Fah 13:6 Nahazo tsiny kely anefa izy ireo, satria naniasia ihany angamba izy, tamin' ny fitadiavana an' Andriamanitra amam-paniriany hahita azy. Ceux-ci toutefois ne méritent qu' un blâme léger; peut-être en effet ne s'égarent-ils qu' en cherchant Dieu et en voulant le trouver
Fah 13:7 Mandinika ny asany izy ireo, ka izany no fototry ny fikarokarohany, ary matoky foana ny fisehoan-javatra fa aoka izany ny hatsaran-tarehin' izay hitany. versés dans ses oeuvres, ils les explorent et se laissent prendre aux apparences, tant ce qu' on voit est beauté!
Fah 13:8 Amin' izany anefa tsy afa-tsiny kosa izy ireo, Et pourtant eux non plus ne sont point pardonnables
Fah 13:9 satria, raha nahazo fahalalana ampy izy, mba hahalalany an' izao tontolo izao, dia ahoana kosa no tsy nahalalany moramora kokoa ny Tompo? s' ils ont été capables d' acquérir assez de science pour pouvoir scruter le monde, comment n' en ont-ils pas plus tôt découvert le Maître!
Fah 13:10 Mahantra loatra anefa izy, fa zava-tsy manan' aina no nanankinany ny fanantenany, izy izay miantso ny asan-tanan' olombelona ho Andriamanitra; dia ny volamena amam-bolafotsy voatefy amim-pahaizana, ny sarim-biby na vato izay tsy ahoan-tsy ahoana, asan-tanana fahataloha. Mais malheureux sont-ils, avec leurs espoirs mis en des choses mortes, ceux qui ont appelé dieux des ouvrages de mains d' hommes, or, argent, traités avec art, figures d' animaux, ou pierre inutile, ouvrage d' une main antique.
Fah 13:11 Indro misy mpahay taozavatra mikapa hazo maro atao zavatra; endahany amim-pahakingana avokoa ny hodiny; dia amboariny amim-pahaizana, ary amoronany fanaka mahasoa momba ny fivelomana. Et voici encore un bûcheron : il scie un arbre facile à manier, il en racle soigneusement toute l'écorce, il le travaille avec adresse, il en forme un objet propre aux usages de la vie.
Fah 13:12 Nony vita ny ataony, alainy izay sisa eo, ka andrahoany hanina, hialany hanoanana. Quant aux déchets de son travail, il les emploie à préparer sa nourriture et il se rassasie.
Fah 13:13 Ary ny ambiny farany, tsy azo atao na inona na inona intsony, fa vailanina sy tonontononana be ihany, dia raisiny, kapakapainy ho fanalana andro, ary noho ny fahaizany miasa dia manisy endrika azy izy, ka ataony sarin' olona na omeny endri-biby tsinontsinona. Et le déchet qui en reste et qui n' est bon à rien, un bois tordu et poussé tout en noeuds il le prend et le sculpte avec l' application des heures de loisir, il le façonne, avec le savoir-faire des instants de détente; il lui donne une figure humaine,
Fah 13:14 Hosorany loko mena mivaivay izy, lokoiny mena ny ivelany rehetra, ary saronany loko ny panda rehetra. ou bien il le fait semblable à quelque vil animal, le recouvre de vermillon, en rougit la surface à la sanguine, recouvre d' un enduit toutes ses taches.
Fah 13:15 Rahefa izany dia anomanany fonenana mendrimendrika izany, apetrany manolotra ny rindrina sy homboany amin' ny vy. Puis il lui fait une habitation convenable, le place dans un mur et l' assure avec du fer.
Fah 13:16 Tandremany tsara fandrao miongana, fa fantany fa tsy mahay mamonjy ny tenany ilay andriamaniny, satria sary vongana foana mila tohana ihany io. Ainsi veille-t-il à ce qu' il ne tombe pas, sachant bien qu' il est incapable de s' aider lui-même, car ce n' est qu' une image, et il a besoin d' aide!
Fah 13:17 Kanefa mivavaka amin' io izy ny amin' ny momba ny fananany, na ny fanambadiany, na ny zanany, ary tsy mahamenatra azy akory izany hoe: miteny amin' ny zavatra tsy manan' aina. Pourtant, s' il veut prier pour ses biens, son mariage, ses enfants, il ne rougit pas d' adresser la parole à cet objet sans vie; pour la santé, il invoque ce qui est faible,
Fah 13:18 Mangataka fahasalamana amin' izay tsy manan-kery izy; ary fiainana amin' izay maty, ary vonjy amin' izay tsy mahefa na inona na inona; mangataka ho tsara dia, amin' izay tsy afaka manetsika ny tongony. pour la vie, il implore ce qui est mort, pour un secours, il supplie ce qui a le moins d' expérience, pour un voyage, ce qui ne peut même pas se servir de ses pieds,
Fah 13:19 Mba ho azo antoka ny filany tombony, ny raharaha iandraiketany, ny fahavanonan' ny asany; mangataka tanjaka izy amin' izay osa tanana indrindra. pour un gain, une entreprise, le succès du travail de ses mains, il demande de la vigueur à ce qui n' a pas la moindre vigueur dans les mains!

<-
->