<-
->

Fah 10:1 Ny fahendrena no niaro ny voalohan-dahy noforonin' Andriamanitra, mba ho rain' ny olombelona rehetra, dia ilay tokana noharìna. C' est elle qui protégea le premier modelé, père du monde, qui avait été créé seul, c' est elle qui le tira de sa propre chute
Fah 10:2 Nanatsoaka azy tamin' ny fahotany izy, sy nanome fahefana azy, hitondra ny zava-boahary rehetra. et lui donna la force de devenir maître de tout.
Fah 10:3 Nihataka taminy, noho ny hatezerany, ilay tsy marina, ka very tamin' ny fisafoahana nahafaty rahalahy. Mais quand dans sa colère, un injuste se fut écarté d' elle, il périt par ses fureurs fratricides.
Fah 10:4 Raha avy izay nahasafo-drano ny tany noho ny olona tsy marina, dia ny fahendrena no namonjy azy ireo, fa izy no nitari-dàlana ny marina tambonin' ny hazo tsy misy vidiny. Lorsqu'à cause de lui la terre fut submergée, c' est la Sagesse encore qui la sauva, en pilotant le juste à l' aide d' un bois sans valeur.
Fah 10:5 Nony tafaharo tamin' ny heloka niraisany, ny firenen-tsamihafa, fantatry ny fahendrena ilay marina, ka notehiriziny tsy hanan-tsiny teo anatrehan' Andriamanitra, sy narovany tsy ho resin' ny fitiavan-janaka. Et lorsque, unanimes en leur perversité, les nations eurent été confondues, c' est elle qui reconnut le juste, le conserva sans reproche devant Dieu, et le garda fort contre sa tendresse pour son enfant.
Fah 10:6 Tamin' ny nandringanana ny ratsy fanahy, novonjen' ny fahendrena ny marina izay nandositra ny afo nidina tamin' ny tanàna dimy. C' est elle qui, lors de la destruction des impies, délivra le juste qui fuyait le feu descendant sur la Pentapole.
Fah 10:7 Mba ho vavolombelon' ny haratsian' izy ireny, mbola mivoa-tsetroka izany tanàna nidiran-doza izany; mamoa tsy amin' ny fotoana ny hazo ao; ary misy andry sira mijoro ao, tsangambaton' ny fanahy anankiray tsy nino. En témoignage de sa perversité, une terre désolée continue de fumer; les arbustes y donnent des fruits qui ne mûrissent pas en leur temps et, mémorial d' une âme incrédule, se dresse une colonne de sel.
Fah 10:8 Nataon' izy ireny tsirambina ny fahendrena, ka sady maty antoka ny tsy nahalalany ny soa izy ireo, no namela tsangambaton' ny hadalany ho an' ny velona, mba tsy ho very tadidy ny heloka nataony. Car, pour s'être écartés du chemin de la Sagesse, non seulement ils ont subi le dommage de ne pas connaître le bien, mais ils ont encore laissé aux vivants un monument de leur folie, afin que leurs fautes mêmes, ils ne puissent les cacher.
Fah 10:9 Nefa nafahan' ny fahendrena tamin' ny loza kosa ny mpanaraka azy. Mais la Sagesse a délivré ses fidèles de leurs peines.
Fah 10:10 Izy no nitarika tamin' ny làla-mahitsy, an' ilay marina nandositra ny hatezeran' ny rahalahiny; naneho tamin' io ny fanjakan' Andriamanitra, sy nanome azy ny fahalalana ny zava-masina; nampanankarena azy tamin' ny asa nisasarany; ary nampahavokatra ny asa nataony. Ainsi le juste qui fuyait la colère de son frère, elle guida par de droits sentiers; elle lui montra le royaume de Dieu et lui donna la connaissance des choses saintes, elle le fit réussir dans ses durs travaux et fit fructifier ses peines;
Fah 10:11 Novonjeny tamin' ny mpampahory mahidy izy, ka nataony nahazo harena; elle l' assista contre la cupidité de ceux qui l' opprimaient, et elle le rendit riche;
Fah 10:12 Nambenany tamin' ny fahavalony izy, ary narovany tamin' ny namela-pandrika taminy; nomeny fandresena tamin' ny ady mafy izy, mba hampahafantarany azy fa mahery noho ny zavatra rehetra ny fitiavam-bavaka. elle le garda de ses ennemis et le protégea de ceux qui lui dressaient des embûches; elle lui donna la palme en un rude combat, pour qu' il sût que la piété est plus puissante que tout.
Fah 10:13 Ny marina namidy vola dia tsy nafoiny, fa narovany tamin' ny fahotana; niara-nidina taminy tao an-davaka izy, C' est elle qui n' abandonna pas le juste vendu, mais elle l' arracha au péché;
Fah 10:14 tsy nandao azy tamin' ny fatorana; mandra-panomeny azy ny tehim-panjakana, sy ny fanapahana an' ireo mpampahory azy; ireo niampanga ny olo-marina nataony vaky lainga; ary izy kosa nomeny laza mandrakizay. elle descendit avec lui dans la citerne, elle ne le délaissa pas dans les fers, jusqu'à ce qu' elle lui eût apporté le sceptre royal et l' autorité sur ceux qui le tyrannisaient, jusqu'à ce qu' elle eût convaincu de mensonge ceux qui l' avaient diffamé et qu' elle lui eût donné une gloire éternelle.
Fah 10:15 Novonjeny tamin' ny firenena nampahory azy, ny vahoaka masina aman-taranaka tsy manan-tsiny. C' est elle qui délivra un peuple saint et une race irréprochable d' une nation d' oppresseurs.
Fah 10:16 Niditra tamin' ny fanahin' ilay mpanompon' Andriamanitra izy, ary nifanandrina tamin' ireo mpanjaka mahatahotra, tamim-pamantarana amam-pahagagana. Elle entra dans l'âme d' un serviteur du Seigneur et tint tête à des rois redoutables par des prodiges et des signes.
Fah 10:17 Ny marina nomeny ny tambin' ny asany, notarihiny tamin' ny lalana nofafazany fahagagana izy ireo, nitsangan-ko alokalony izy, nony andro, ary ho fahazavany, toy ny kintana, nony alina. Aux saints elle remit le salaire de leurs peines, elle les guida par un chemin merveilleux, elle devint pour eux un abri pendant le jour, et une lumière d' astres pendant la nuit.
Fah 10:18 Nentiny namaky ny ranomasina Mena izy, ary notarihiny lalana namakivavy ny rano be. Elle leur fit traverser la mer Rouge et les conduisit à travers l' onde immense,
Fah 10:19 Nosaforany tao ny fahavalon' izy ireo dia naloan' ny hantsana lalina avy ao aminy izy ireo. tandis qu' elle submergea leurs ennemis, puis les rejeta des profondeurs de l' abîme.
Fah 10:20 Noho izany namabo ny tsy mpivavaka ny marina, dia nihira ny anaranao masina, ry Tompo, sy niara-nankalaza ny tànanao niady ho azy ireo. Aussi les justes dépouillèrent-ils les impies; ils célébrèrent, Seigneur, ton saint Nom et, d' un coeur unanime, chantèrent ta main secourable;
Fah 10:21 Fa mampiloa-bava ny moana ny fahendrena, ary mampahay mandahatra ny lelan' ny zaza. car la Sagesse ouvrit la bouche des muets et elle rendit claire la langue des tout-petits.

<-
->