<-
->

Fah 3:1 Eo an-tànan' Andriamanitra ny fanahin' ny marina, ka tsy mahatratra azy ny fijaliana. Les âmes des justes sont dans la main de Dieu. Et nul tourment ne les atteindra.
Fah 3:2 Ohatran' ny maty izy, araka ny fiheveran' ny adala azy, ary ohatran' ny loza ny fialany amin' izao fiainana izao, Aux yeux des insensés ils ont paru mourir, leur départ a été tenu pour un malheur
Fah 3:3 ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika; kanjo ao anatin' ny fiadanana izy. et leur voyage loin de nous pour un anéantissement, mais eux sont en paix.
Fah 3:4 Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason' ny olombelona, ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty. S' ils ont, aux yeux des hommes, subi des châtiments, leur espérance était pleine d' immortalité;
Fah 3:5 Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana, dia handray valisoa lehibe izy: fa efa nozahan' Andriamanitra toetra izy, ka hitany ho mendrika azy. pour une légère correction ils recevront de grands bienfaits. Dieu en effet les a mis à l'épreuve et il les a trouvés dignes de lui;
Fah 3:6 Notsapainy toy ny volamena atao amin' ny memy izy, ka nankasitrahany, toy ny sorona dorana lavorary. comme l' or au creuset, il les a éprouvés, comme un parfait holocauste, il les a agréés.
Fah 3:7 Amin' ny andro hamalian-tsoa azy, hamirapiratra izy ireo; tahaka ny kilalaon' afo hivoivoy haingana amin' ny bozaka. Au temps de leur visite, ils resplendiront, et comme des étincelles à travers le chaume ils courront.
Fah 3:8 Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy; ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo. Ils jugeront les nations et domineront sur les peuples, et le Seigneur régnera sur eux à jamais.
Fah 3:9 Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina; hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy, satria ho an' ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po. Ceux qui mettent en lui leur confiance comprendront la vérité et ceux qui sont fidèles demeureront auprès de lui dans l' amour, car la grâce et la miséricorde sont pour ses saints et sa visite est pour ses élus.
Fah 3:10 Hihatra amin' ny ratsy fanahy kosa ny sazy tandrifin' ny hevi-dratsiny; fa izy naniratsira ny olo-marina, sady nihataka tamin' ny Tompo. Mais les impies auront un châtiment conforme à leurs pensées, eux qui ont négligé le juste et se sont écartés du Seigneur.
Fah 3:11 Fa na zovy na zovy manary ny fahendrena amam-pananarana dia voatendry ho amin' ny loza: foana ny fanantenany, tsy mahavokatra ny fisasarany, tsy misy tombony ny asany; Car malheur à qui méprise sagesse et discipline vaine est leur espérance, sans utilité leurs fatigues, sans profit leurs oeuvres;
Fah 3:12 adala ny vadiny, feno haratsiana ny zanany; ary voaozona ny taranany. leurs femmes sont insensées, pervers leurs enfants, maudite leur postérité!
Fah 3:13 Noho izany sambatra ny vehivavy momba, tsy misy panda, tsy azon' ny fahalotoana ny fandriany! Fa hahazo ny vokany izy, amin' ny andro hamangiana ny fanahy. Heureuse la femme stérile qui est sans tache, celle qui n' a pas connu d' union coupable; car elle aura du fruit à la visite des âmes.
Fah 3:14 Sambatra koa ny eonoka, tsy mba nahalala heloka ny tanany, sady tsy namoron-kevi-dratsy manohitra ny Tompo! Fa handray ny valisoa voafantina izy, noho ny tsy fivadihany; ary hahazo anjara soa indrindra izy ao an-tranon' ny Tompo. Heureux encore l' eunuque dont la main ne commet pas de forfait et qui ne nourrit pas de pensées perverses contre le Seigneur il lui sera donné pour sa fidélité une grâce de choix, un lot très délicieux dans le Temple du Seigneur.
Fah 3:15 Satria ny fanaovana asa soa, mahavoka-tsoa be voninahitra, ary ny fakan' ny fahamalinana tsy mba maty. Car le fruit de labeurs honnêtes est plein de gloire, impérissable est la racine de l' intelligence.
Fah 3:16 Fa ny zanaky ny mpanera vadin' olona kosa, tsy hahatratra ny fara androny, ary ny taranaky ny fiterahana meloka ho foana. Mais les enfants d' adultères n' atteindront pas leur maturité, la postérité issue d' une union illégitime disparaîtra.
Fah 3:17 Raha lava ny andro iainany, dia hatao ho tsinontsinona izy ireo, ary ny fahanterana hiafarany, tsy hisy hajany. Même si leur vie se prolonge, ils seront comptés pour rien et, à la fin, leur vieillesse sera sans honneur,
Fah 3:18 Raha malaky maty izy, tsy hanam-panantenana na fiononana amin' ny fitsarana. s' ils meurent tôt, ils n' auront pas d' espérance ni de consolation au jour de la Décision,
Fah 3:19 Fa ratsy miafara mandrakariva ny taranaka tsy marina. car la fin d' une race injuste est cruelle!

<-
->