<-
->

Fah 11:1 Ny tànan' ny mpaminany masina anankiray no nanambinan' ny fahendrena ny asany. Elle fit prospérer leurs entreprises par la main d' un saint prophète.
Fah 11:2 Nomba làlana mamaky efitra tsy misy mponina izy ireo, ary nanangan-day tamin' ny tany tsy misy làlana. Ils traversèrent un désert inhabité et plantèrent leurs tentes en des lieux inaccessibles.
Fah 11:3 Voatohitr' izy ireo ny fahavalony, ary novaliany faty ny rafilahiny. Ils tinrent tête à leurs ennemis et repoussèrent leurs adversaires.
Fah 11:4 Nangetaheta izy ka niantso anao, dia nomena rano avy amin' ny haram-bato mideza, sy fanalana hetaheta avy amin' ny vato. Dans leur soif, ils t' invoquèrent de l' eau leur fut donnée d' un rocher escarpé et, d' une pierre dure, un remède à leur soif.
Fah 11:5 Ny nahazo an' ireo fahavalony ho famaizana azy, nanjary fitahiana ho azy ireo tamin' ny fahoriany kosa. Ainsi ce par quoi avaient été châtiés leurs ennemis devint un bienfait pour eux dans leurs difficultés.
Fah 11:6 Satria tamin' ilay voaloton' ny ra maloto iny ny ranon' ilay ony tsy mety ritra, Tandis que les premiers n' avaient que la source intarissable d' un fleuve que troublait un sang mêlé de boue,
Fah 11:7 ho sazin' ilay didy nampamono ny zaza, dia rano an-kabetsahana kosa no nomenao ny olonao, nefa zavatra tsy azo nampoizina velively akory izany. en punition d' un décret infanticide. Tu donnas aux tiens, contre tout espoir, une eau abondante,
Fah 11:8 Ka nasehonao azy tamin' ny hetaheta nahazo azy ireo tamin' izany ny hamafin' ny famaizana amelezanao ny mpanohitra anao. montrant par la soif qu' alors ils ressentirent comment tu avais châtié leurs adversaires.
Fah 11:9 Taorian' izany fijaliana izany, na dia voasazy tamim-pamindram-po ihany aza izy dia nahalala ny hamafin' ny fampijaliana ahatra amin' ny tsy mpivavaka, tsaraina amin-katezerana. Par leurs épreuves, qui n'étaient pourtant qu' une correction de miséricorde, ils comprirent comment un jugement de colère torturait les impies;
Fah 11:10 Ny sasany nofaizinao, toy ny fananatry ny ray, ny sasany kosa nasianao, toy ny fanameloky ny mpanjaka sarotiny. car eux, tu les avais éprouvés en père qui avertit, mais ceux-là, tu les avais punis en roi inexorable qui condamne,
Fah 11:11 Niharam-pijaliana avokoa, na ny tao na ny tsy tao. et de loin comme de près, ils se consumaient pareillement.
Fah 11:12 Alahelo roa sosona no nahazo azy ireo, ary nisento izy nahatsiaro ny zava-nitranga. Car une double tristesse les saisit, et un gémissement, au souvenir du passé;
Fah 11:13 Satria nony reny fa ny fampijaliana midona aminy, nody soa ho an' ny mpandositra, dia fantany fa ao ny tànan' ny Tompo. lorsqu' ils apprirent, en effet, que cela même qui les châtiait était un bienfait pour les autres, ils reconnurent le Seigneur,
Fah 11:14 Fa ilay natonony fahizay sy nariany tamim-paniratsirana, dia nigagany, tamin' ny faran' ny zava-nitranga, nony voan' ny hetaheta hafa lavitra noho ny an' ny marina izy ireo. car celui que jadis ils avaient fait exposer, puis repoussé avec dérision, ils l' admirèrent au terme des événements, ayant souffert d' une soif bien différente de celle des justes.
Fah 11:15 Mba ho valin' ny hevitra adala, vokatry ny haratsian' izy ireo, izay nampirebireby azy sy nitarika azy hivavaka amim-biby mandady tsy manan-tsaina sy amin' ny biby ratsy foana, dia nandefasanao biby ketrina maro be izy ireo, ho famaizana azy; Pour leurs sottes et coupables pensées, qui les égaraient en leur faisant rendre un culte à des reptiles sans raison et à de misérables bestioles, tu leur envoyas en punition une multitude d' animaux sans raison;
Fah 11:16 mba hampahafantatra azy fa izay nanotan' ny olona no enti-mamay azy koa. afin qu' ils sachent qu' on est châtié par où l' on pèche.
Fah 11:17 Tsy sarotra amin' ny tànanao mahefa ny zavatra rehetra, izay nahary izao tontolo izao tamin' ny zavatra tsy nisy endrika, ny maniraka orsa na liona maro be hamely azy ireo, Ta main toute puissante, certes, n'était pas embarrassée, elle qui a créé le monde d' une matière informe pour envoyer contre eux une multitude d' ours ou de lions intrépides,
Fah 11:18 na biby vao noharìna, romotra sy tsy fantatra, miaina amim-pofona mirehitra, mandefa fofon' aina setroka maimbo, na mandefa tselatra mahatahotra, amin' ny masony, ou bien des bêtes féroces inconnues, nouvellement créées, pleines de fureur, exhalant un souffle enflammé, émettant une fumée infecte, ou faisant jaillir de leurs yeux de terribles étincelles,
Fah 11:19 afa-mamono mahafaty tsy amin' ny famelezana maharatra ihany, fa amin' ny fijerena azy fotsiny koa mampahatsiravina ambony ihany. des bêtes capables, non seulement de les anéantir par leur malfaisance, mais encore de les faire périr par leur aspect terrifiant.
Fah 11:20 Ary na tsy izany aza, nety maty tamin' ny fofona fotsiny izy ireny, henjehin' ny fahamarinana, ka foanan' ny fofon' ain' ny herinao. Fa nalaminao an-danjany ny zavatra rehetra, ka miditra an' isany sy an-tsipiriany avokoa. Sans cela même, d' un seul souffle ils pouvaient tomber, poursuivis par la Justice, balayés par le souffle de ta puissance. Mais tu as tout réglé avec mesure, nombre et poids.
Fah 11:21 Fa tohanan' ny fahefana ambony indrindra mandrakariva ny didinao, ka zovy no hahatohitra ny herin' ny sandrinao? Car ta grande puissance est toujours à ton service, et qui peut résister à la force de ton bras?
Fah 11:22 Zava-madinika indrindra manindry mizàna, izao tontolo izao eo anoloanao, ando maraina indray mitete latsaka amin' ny tany. Le monde entier est devant toi comme ce qui fait pencher la balance, comme la goutte de rosée matinale qui descend sur la terre.
Fah 11:23 Noho hianao mahefa ny zavatra rehetra anefa, no iantranao azy rehetra, sy tsy ijerenao ny fahotan' ny olombelona mba hibebahany. Mais tu as pitié de tous, parce que tu peux tout, tu fermes les yeux sur les péchés des hommes, pour qu' ils se repentent.
Fah 11:24 Satria tianao avokoa ny zava-boahary, ary tsy misy halanao izay nataonao; fa raha misy iray halanao, tsy ho nataonao akory. Tu aimes en effet tout ce qui existe, et tu n' as de dégoût pour rien de ce que tu as fait; car si tu avais haï quelque chose, tu ne l' aurais pas formé.
Fah 11:25 Ary zavatra inona moa no afa-ko misy raha tsy sitrakao, na haharetany raha tsy nampisinao? Et comment une chose aurait-elle subsisté, si tu ne l' avais voulue? Ou comment ce que tu n' aurais pas appelé aurait-il été conservé?
Fah 11:26 Mamela azy rehetra anefa hianao, satria anao ny zavatra rehetra, ry Tompo tia ny fanahin' ny olona. Mais tu épargnes tout, parce que tout est à toi, Maître ami de la vie!

<-
->