<-
->

Fah 18:1 Tamin' izany, nisy fahazavana lehibe kosa, nampirapiratra tamin' ny olonao masina; nandre ny feony ny Ejipsiana, fa tsy nahita tava azy; ary na inona na inona fijaliany dia nolazainy ho sambatra izy. Cependant pour tes saints il y avait une très grande lumière. Les autres, qui entendaient leur voix sans voir leur figure, les proclamaient heureux de n' avoir pas eux-mêmes souffert,
Fah 18:2 Ary noho izy ireo, na dia efa tsy nitondrana roa aza, tsy mba namaly ratsy dia nisaorany, ary nifonany tamin' ny nitondrany azy ho fahavalo. ils leur rendaient grâce de ne pas sévir, après avoir été maltraités, et leur demandaient pardon pour leur attitude hostile.
Fah 18:3 Ho solon' izany aizina izany kosa, ny olonao masina dia nomenao andry afo, mpitari-dàlana amin' ny lalana tsy fantatra, masoandro tsy mahamay, amin' ny fivahiniany be voninahitra. Au lieu de ces ténèbres, tu donnas aux tiens une colonne flamboyante, pour leur servir de guide en un voyage inconnu, de soleil inoffensif en leur glorieuse migration.
Fah 18:4 Rariny ho an-dry zareo ny tsy manan-kazavana, sy ny hosaronan' ny aizim-pito, fa notanany sy nogiazany ny zanakao, izay handraisan' izao tontolo izao ny hazavana tsy manam-piovana avy amin' ny lalanao. Mais ceux-là méritaient bien d'être privés de lumière et d'être prisonniers des ténèbres, qui avaient gardé enfermés tes fils, par qui devait être donnée au monde l' incorruptible lumière de la Loi.
Fah 18:5 Nikasa handringana ny zanak' ireo olonao masina izy ireo; narian-ko faty ary novonjena indray kosa ny iray tamin' ireny; dia ny ankamaroan' ny zanany nalainao tamin' ny famaizanao azy, ary izy rehetra, indray nosaforanao onja mirimorimo avokoa. Comme ils avaient résolu de tuer les petits enfants des saints, et que, des enfants exposés, un seul avait été sauvé, tu leur enlevas, pour les châtier, la multitude de leurs enfants et tu les fis périr tous ensemble dans l' eau impétueuse.
Fah 18:6 Nahalala izany alina izany mialoha, ny razanay, mba hahafantarany izay fampanantenana ninoany, ka hananany herim-po bebe kokoa. Cette nuit-là fut à l' avance connue de nos pères, pour que, sachant d' une manière sûre à quels serments ils avaient cru, ils aient bon courage.
Fah 18:7 Koa nandrasan' ny vahoakanao, ny famonjena ny marina, sy ny fandringanana ireo fahavalony. Ton peuple attendit et le salut des justes et la perte des ennemis;
Fah 18:8 Toraky ny namelezanao ny fahavalonay no nanandratanao anay kosa tamin' ny niantsoanao anay ho aminao. car, par la vengeance même que tu tiras de nos adversaires, tu nous glorifias en nous appelant à toi.
Fah 18:9 Eny tokoa fa ireo tia vavaka zanaky ny olona masina moa nanatitra ny sorony mangingina, ka niara-nanao fanekena masina hoe: hiara-misalahy ny masina amin' ny soa sy amin' ny loza hitranga - nihira sahady ny hira masin' ny razanay. Aussi les saints enfants des bons sacrifiaient-ils en secret et ils établirent d' un commun accord cette loi divine, que les saints partageraient également biens et périls; et ils entonnaient déjà les cantiques des Pères.
Fah 18:10 Fa ho valin' ny feony kosa, dia nanakoako ny sakalahim-peon' ny fahavalo, ary re ny figogogogoana noho ny zanaka nitomaniana; La clameur discordante de leurs ennemis faisait écho, et les accents plaintifs de ceux qui se lamentaient sur leurs enfants se répandaient au loin.
Fah 18:11 sazy iray namaizana ny mpanompo sy ny tompo; ary sahala ny fijaliana nahazo ny vahoaka sy ny mpanjaka. Un même châtiment frappait esclave et maître, l' homme du peuple endurait les mêmes souffrances que le roi.
Fah 18:12 Karazam-pahafatesana iray monja no nampisy tao amin' izy rehetra, maty tsy hita isa, ka tsy nahasahana ny fandevenana intsony, ny velona. Fa ny taranany filohany indrindra, no indray ringana vetivety foana. Tous donc pareillement, frappés du même trépas, eurent des morts innombrables. Les vivants ne suffisaient plus aux funérailles, car, en un instant, leur plus précieuse descendance avait été détruite.
Fah 18:13 Nandà tsy hino izy noho ny amin' ny ody ratsiny, kanjo nony avy izay nandringanana ny lahimatoa, dia niaiky izy fa zanak' Andriamanitra izany vahoaka izany. Ainsi, ceux que des sortilèges avaient rendus absolument incrédules confessèrent, devant la perte de leurs premiers-nés, que ce peuple était fils de Dieu.
Fah 18:14 Tamin' izay raha ilay saronan' ny fahanginana lehibe ny tany manontolo, dia nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny, Alors qu' un silence paisible enveloppait toutes choses et que la nuit parvenait au milieu de sa course rapide,
Fah 18:15 dia niezaka avy any an-tampon' ny lanitra ny teninao mahefa ny zavatra rehetra toy ny mpiady tsy azo ifonana, avy any amin' ny seza fiandrianany, nankeo afovoan' ilay tany voatolotra ho amin' ny fandringanana, du haut des cieux, ta Parole toute-puissante s'élança du trône royal, guerrier inexorable, au milieu d' une terre vouée à l' extermination. Portant pour glaive aigu ton irrévocable décret,
Fah 18:16 nitondra ny didinao tsy azo ovana, toy ny sabatra maranitra; dia teo izy nameno maty hatraiza hatraiza, nahatakatra ny lanitra ka nijoro tamin' ny tany. elle s' arrêta et remplit de mort l' univers; elle touchait au ciel et se tenait sur la terre.
Fah 18:17 Niaraka tamin' izay nisy fahitana tamin' ny nofy mahatsiravina, nampitebiteby azy, ka tahotra tsy nampoizina no nahazo azy ireo. Alors brusquement des apparitions en des songes terribles les épouvantèrent, des peurs inattendues les assaillirent.
Fah 18:18 Niongana atsy sy arý izy ireo, saiky maty, ka nanambara ny anton' ny mahafaty azy. Jetés à demi morts, l' un d' un côté, l' autre de l' autre, ils faisaient savoir pour quelle raison ils mouraient,
Fah 18:19 Fa efa nanambara izany taminy ireo nofy nampitebiteby azy mba tsy hahafatesany tsy mahalala izay antony namelezana azy mafy toy izany. car les songes qui les avaient troublés les en avaient avertis d' avance, afin qu' ils ne périssent pas sans savoir pourquoi ils subissaient le mal.
Fah 18:20 Nihatra tamin' ny marina koa, ny famelezan' ny fahafatesana; fa nisy fandringanana ny maro tany an' efitra, kanefa tsy naharitra ela ny fahatezeranao. Cependant l'épreuve de la mort atteignit aussi les justes et une multitude fut frappée au désert. Mais la colère ne dura pas longtemps,
Fah 18:21 Fa nisy ny lehilahy tsy manan-tsiny, niady faingana hiaro ny meloka; nandray fiadiana momba ny raharahany nataony, dia ny vavaka sy ny emboka fanonerana, ka nanohana ny fahatezeran' Andriamanitra, sy nampitsahatra ny loza; nampiseho fa mpanomponao izy. car un homme irréprochable se hâta de les défendre. Prenant les armes de son ministère, prière et encens expiatoire, il affronta le Courroux et mit un terme au fléau, montrant qu' il était ton serviteur.
Fah 18:22 Nandresy izany fikomiana izany izy, tsy amin' ny tanjaky ny vatany, na ny herin' ny fiadiana, fa ny teny no nampilefahany an' ilay namay azy tamin' ny nampahatsiarovany azy ny fianianana natao tamin' ny razana sy ny fanekena. Il vainquit l' Animosité, non par la vigueur du corps, non par la puissance des armes; c' est par la parole qu' il eut raison de celui qui châtiait, en rappelant les serments faits aux Pères et les alliances.
Fah 18:23 Efa lavo nifanongoa be ihany, ny maty tamin' izany, no nitsangan-kanelanelana izy, nanoha ny hatezerana, ka nanampin-dàlana ny Mpandringana tamin' izay sisa velona. Alors que déjà les morts s' entassaient par monceaux, il s' interposa, arrêta la Colère, et lui barra le chemin des vivants.
Fah 18:24 Fa teo amin' ny akanjo mirebareba amin' ny tany, izao tontolo izao; ny anarana be voninahitry ny razana dia voasokitra amin' ny vatosoa efatra an-dalana, ary teo amin' ny satroboninahiny teo an-dohany ny fiandriananao. Car sur sa robe talaire était le monde entier, les noms glorieux des Pères étaient gravés sur les quatre rangées de pierres, et sur le diadème de sa tête il y avait ta Majesté.
Fah 18:25 Ka nihemotra ny Mpandringana nahita izany famantarana izany, satria ampy na ny fitsapan' ny hatezeranao ihany aza. Devant cela l' Exterminateur recula, il en eut peur; la seule expérience de la Colère suffisait.

<-
->