<-
->

Sal 9:1 I will praise thee, O Lord, with my whole heart; I will shew forth all thy marvellous works. Ho an' ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon' i Davida. Hidera an' i Jehovah amin' ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. Ho an' ny mpampianatra hira. Amin' ny hira hoe Fahafatesana ho an' ny zanakalahy. Salamon' i Davida. Du maître de chant. Sur hautbois et harpe. Psaume. De David.
Sal 9:2 I will be glad and rejoice in thee: I will sing praise to thy name, O thou most High. Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô, Hidera an' ny Tompo amin' ny foko rehetra aho, hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho. Je te rends grâce, Yahvé, de tout mon coeur, j'énonce toutes tes merveilles,
Sal 9:3 When mine enemies are turned back, they shall fall and perish at thy presence. Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. Hifaly sy hientan-kafaliana aminao aho, hihira ny anaranao aho, ry Avo indrindra ô! j' exulte et me réjouis en toi, je joue pour ton nom, Très-Haut.
Sal 9:4 For thou hast maintained my right and my cause; thou satest in the throne judging right. Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin' ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina. Lasa mihemotra ny fahavaloko, mandraingiraingy izy, dia lavo teo anatrehan' ny tavanao. Mes ennemis retournent en arrière, ils fléchissent, ils périssent devant ta face,
Sal 9:5 Thou hast rebuked the heathen, thou hast destroyed the wicked, thou hast put out their name for ever and ever. Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. Satria efa nataonao mahery ny rariny ananako sy ny adiko, nipetraka ho mpitsara marina hianao, teo amin' ny seza fiandriananao. quand tu m' as rendu sentence et jugement, siégeant sur le trône en juste juge.
Sal 9:6 O thou enemy, destructions are come to a perpetual end: and thou hast destroyed cities; their memorial is perished with them. Ny amin' ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza. Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka, nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran' ireny. Tu as maté les païens, fait périr l' impie, effacé leur nom pour toujours et à jamais;
Sal 9:7 But the Lord shall endure for ever: he hath prepared his throne for judgment. Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, Levona ny fahavalo! faharavana haharitra mandrakizay! Tanàna nofongoranao! Very mbamin' ny fahatsiarovana azy. l' ennemi est achevé, ruines sans fin, tu as renversé des villes, et leur souvenir a péri. Voici,
Sal 9:8 And he shall judge the world in righteousness, he shall minister judgment to the people in uprightness. Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin' ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin' ny fahitsiana Izy. Fa Iaveh kosa mipetraka mandrakizay, efa voatsangany ny sezany hitsarany; Yahvé siège pour toujours, il affermit pour le jugement son trône;
Sal 9:9 The Lord also will be a refuge for the oppressed, a refuge in times of trouble. Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an' ny mahantra, ho fiarovana avo amin' ny andro fahoriana Izy. ka mitsara an' izao tontolo izao amin' ny fahamarinana izy, mitsara ny firenena amin' ny fahitsiana. lui, il jugera le monde avec justice, prononcera sur les nations avec droiture.
Sal 9:10 And they that know thy name will put their trust in thee: for thou, Lord, hast not forsaken them that seek thee. Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. Iaveh dia fiarovana ho an' ny ampahoriana, fiarovana ho amin' ny andron' ny fahoriana. Que Yahvé soit un lieu fort pour l' opprimé, un lieu fort aux temps de détresse!
Sal 9:11 Sing praises to the Lord, which dwelleth in Zion: declare among the people his doings. Mankalazà an' i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin' ny firenena ny asany. Hianao no itokian' izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba mandao izay mitady anao, hianao, ry Iaveh. En toi se confient ceux qui connaissent ton nom, tu n' abandonnes point ceux qui te cherchent, Yahvé.
Sal 9:12 When he maketh inquisition for blood, he remembereth them: he forgetteth not the cry of the humble. Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy. Mankalazà an' ny Tompo izay mitoetra any Siona, ambarao amin' ny firenena ny asa lehibe nataony. Jouez pour Yahvé, l' habitant de Sion, racontez parmi les peuples ses hauts faits!
Sal 9:13 Have mercy upon me, O Lord; consider my trouble which I suffer of them that hate me, thou that liftest me up from the gates of death: Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin' izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin' ny vavahadin' ny fahafatesana, Satria izay manadina ny ra nalatsaka dia nahatsiaro izany; tsy nanadino ny fitarainan' ny tra-pahoriana. Lui qui s' enquiert du sang se souvient d' eux, il n' oublie pas le cri des malheureux.
Sal 9:14 That I may shew forth all thy praise in the gates of the daughter of Zion: I will rejoice in thy salvation. Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin' i Ziona zanakavavy no hifaliako amin' ny famonjenao. Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, hoy ireny; jereo ity fahoriana amelin' ny fahavaloko ahy; fa hianao no mampiverina ahy avy amin' ny vavahadin' ny fahafatesana, Pitié pour moi, Yahvé, vois mon malheur, tu me fais remonter des portes de la mort,
Sal 9:15 The heathen are sunk down in the pit that they made: in the net which they hid is their own foot taken. Ny jentilisa efa latsaka tamin' ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony, mba hahazoako mitory ny fiderana rehetra eo am-bavahadin' ny zanakavavin' i Siona, sy hientan-kafaliana noho ny famonjenao. que j'énonce toute ta louange aux portes de la fille de Sion, joyeux de ton salut.
Sal 9:16 The Lord is known by the judgment which he executeth: the wicked is snared in the work of his own hands. Higgaion. Selah. Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin' ny asan' ny tànany Izy. Latsaka tamin' ny lavaka nohadiny ny firenena; voan' ny fandrika harato nafeniny ny tongony. Les païens ont croulé dans la fosse qu' ils ont faite, au filet qu' ils ont tendu, leur pied s' est pris.
Sal 9:17 The wicked shall be turned into hell, and all the nations that forget God. Hiverina ho any amin' ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an' Andriamanitra. Fa niseho Iaveh nanao ny fitsarany, ka ny asan-tànan' ny ratsy fanahy ihany no naningorany azy. - Higaiona. Selà. Yahvé s' est fait connaître, il a rendu le jugement, il a lié l' impie dans l' ouvrage de ses mains.
Sal 9:18 For the needy shall not alway be forgotten: the expectation of the poor shall not perish for ever. Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan' ny mahantra. Miverina ho any amin' ny Seoly ny ratsy fanahy, ny firenena rehetra izay manadino an' Andriamanitra. Que les impies retournent au shéol, tous ces païens qui oublient Dieu!
Sal 9:19 Arise, O Lord; let not man prevail: let the heathen be judged in thy sight. Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa. Fa ny malahelo tsy mba hadinoina hatrany hatrany; ny fanantenan' ny ory tsy rava mandrakizay. Car le pauvre n' est pas oublié jusqu'à la fin, l' espoir des malheureux ne périt pas à jamais.
Sal 9:20 Put them in fear, O Lord: that the nations may know themselves to be but men. Selah. Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. Mitsanganà, ry Iaveh, aoka tsy ho ny olombelona no hahery; aoka hotsaraina eo anatrehan' ny tavanao ny firenena! Dresse-toi, Yahvé, que l' homme ne triomphe, qu' ils soient jugés, les païens, devant ta face!
Sal 9:21 Asio fangorohoroana ireny, ry Iaveh ô, aoka ho fantatry ny firenena fa olombelona ihany izy! - Selà! Jette, Yahvé, sur eux l'épouvante, qu' ils connaissent, les païens, qu' ils sont hommes!

<-
->