<-
->

Sal 119:1 Blessed are the undefiled in the way, who walk in the law of the Lord. Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn' i Jehovah. ALEPH Sambatra ny tsy manan-tsiny amin' ny lalany, izay mandeha araka ny lalan' ny Tompo. Heureux, impeccables en leur voie, ceux qui marchent dans la loi de Yahvé!
Sal 119:2 Blessed are they that keep his testimonies, and that seek him with the whole heart. Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin' ny fo rehetra; Sambatra izay mitana ny fampianarany; izay mitady azy amin' ny fony rehetra, Heureux, gardant son témoignage, ceux qui le cherchent de tout coeur,
Sal 119:3 They also do no iniquity: they walk in his ways. Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany. tsy mba manao ratsy, fa mandeha eo amin' ny làlany. et qui sans commettre de mal, marchent dans ses voies!
Sal 119:4 Thou hast commanded us to keep thy precepts diligently. Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara. Efa namoaka ny didinao hianao; mba hitandreman' ny olona azy tsara. Toi, tu promulgues tes préceptes, à observer entièrement.
Sal 119:5 O that my ways were directed to keep thy statutes! Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao! Enga anie ka ho voahitsy ny làlako, mba hitandremako ny didinao! Puissent mes voies se fixer à observer tes volontés.
Sal 119:6 Then shall I not be ashamed, when I have respect unto all thy commandments. Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra. Dia tsy hahazo henatra aho, mijery ny didinao rehetra. Alors je n' aurai nulle honte en revoyant tous tes commandements.
Sal 119:7 I will praise thee with uprightness of heart, when I shall have learned thy righteous judgments. Hidera Anao amin' ny hitsim-po aho Amin' ny ianarako ny fitsipikao marina. Hidera anao amin' ny hitsim-poko aho, amin' ny fianarana ny didin' ny fahamarinanao. Je te rendrai grâce en droiture de coeur, instruit de tes justes jugements.
Sal 119:8 I will keep thy statutes: O forsake me not utterly. Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao. Sitrako ny mitandrina ny didinao: aza dia ilaozanao tokoa aho. Tes volontés, je les veux observer, ne me délaisse pas entièrement.
Sal 119:9 Wherewithal shall a young man cleanse his way? by taking heed thereto according to thy word. Inona no hiarovan' ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao. BETH Hataon' ny zatovo ahoana no fahatonga ny làlany ho madio? Ny fitandremany tena araka ny teninao. Comment, jeune, garder pur son chemin? A observer ta parole.
Sal 119:10 With my whole heart have I sought thee: O let me not wander from thy commandments. Tamin' ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin' ny didinao aho. Mitady anao amin' ny foko rehetra aho; aza avela hania lavitra ny didinao. De tout mon coeur c' est toi que je cherche, ne m'écarte pas de tes commandements.
Sal 119:11 Thy word have I hid in mine heart, that I might not sin against thee. Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao. Tehiriziko miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao. Dans mon coeur j' ai conservé tes promesses pour ne point faillir envers toi.
Sal 119:12 Blessed art thou, O Lord: teach me thy statutes. Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao. Isaorana anie hianao, ry Iaveh! Ampianaro ny didinao aho. Béni que tu es Yahvé, apprends-moi tes volontés!
Sal 119:13 With my lips have I declared all the judgments of thy mouth. Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao. Ny molotro no amisavisako ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao. De mes lèvres je les ai tous énumérés, les jugements de ta bouche.
Sal 119:14 I have rejoiced in the way of thy testimonies, as much as in all riches. Ny lalan' ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin' ny harena rehetra. Ny manaraka ny fampianaranao dia hahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra. Dans la voie de ton témoignage j' ai ma joie plus qu' en toute richesse.
Sal 119:15 I will meditate in thy precepts, and have respect unto thy ways. Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao. Sitrako ny misaintsaina ny didinao, sy ny mahira-maso amin' ny làlanao. Sur tes préceptes je veux méditer et regarder à tes chemins.
Sal 119:16 I will delight myself in thy statutes: I will not forget thy word. Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao. Ataoko fifaliana ho ahy ny làlanao; tsy hohadinoiko mandrakizay ny teninao. Je trouve en tes volontés mes délices, je n' oublie pas ta parole.
Sal 119:17 Deal bountifully with thy servant, that I may live, and keep thy word. Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao. GHIMEL Anehoy hatsaram-po ny mpanomponao mba ho velona aho, ka hitandrina ny teninao. Sois bon pour ton serviteur et je vivrai, j' observerai ta parole.
Sal 119:18 Open thou mine eyes, that I may behold wondrous things out of thy law. Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin' ny lalànao. Sokafy ny masoko mba hahitako ny zava-mahagaga ao amin' ny lalànao. Ouvre mes yeux : je regarderai aux merveilles de ta loi.
Sal 119:19 I am a stranger in the earth: hide not thy commandments from me. Vahiny etý an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao. Vahiny aho eto an-tany: aza afenina ahy ny didinao. Etranger que je suis sur la terre, ne me cache pas tes commandements.
Sal 119:20 My soul breaketh for the longing that it hath unto thy judgments at all times. Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva. Ny fanahiko torotoron' ny faniriana izay mampitodika azy lalandava any amin' ny didinao. Mon âme se consume à désirer en tout temps tes jugements.
Sal 119:21 Thou hast rebuked the proud that are cursed, which do err from thy commandments. Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin' ny didinao. Mandrahona ny mpiavonavona hianao, dia ireo olom-boaozona, izay mania lavitra ny didinao. Tu t' en prends aux superbes, aux maudits, qui sortent de tes commandements.
Sal 119:22 Remove from me reproach and contempt; for I have kept thy testimonies. Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho. Halaviro ahy ny henatra amam-panesoana, fa mitandrina ny fampianaranao aho. Décharge-moi de l' insulte et du mépris, car je garde ton témoignage.
Sal 119:23 Princes also did sit and speak against me: but thy servant did meditate in thy statutes. Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao. Na dia mipetraka aza ny mpanapaka sy miteny mamely ahy, mbola hisaintsaina ny lalànao ihany ny mpanomponao. Que des princes tiennent séance et parlent contre moi, ton serviteur médite tes volontés.
Sal 119:24 Thy testimonies also are my delight and my counsellors.leth. Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany. Eny, ny fampianaranao no fahafinaretako, izy no olona mpanolo-tsaina ahy. Ton témoignage, voilà mes délices, tes volontés, mes conseillers.
Sal 119:25 My soul cleaveth unto the dust: quicken thou me according to thy word. Miraikitra amin' ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao. DALETH Miraikitra amin' ny vovoka ny fanahiko; velomy indray aho araka ny teninao. Mon âme est collée à la poussière, vivifie-moi selon ta parole.
Sal 119:26 I have declared my ways, and thou heardest me: teach me thy statutes. Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao. Naposako anao ny làlako, dia hoy ny navalinao ahy: Ampianaro ny lalànao aho. J'énumère mes voies, tu me réponds, apprends-moi tes volontés.
Sal 119:27 Make me to understand the way of thy precepts: so shall I talk of thy wondrous works. Ampahalalao ahy ny lalan' ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao. Ampahafantaro ahy ny làlan' ny didinao, dia hisaintsaina ny fahagagana ataonao aho. Fais-moi comprendre la voie de tes préceptes, je méditerai sur tes merveilles.
Sal 119:28 My soul melteth for heaviness: strengthen thou me according unto thy word. Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao. Azon' alahelo ny fanahiko ka latsa-dranomaso, atsangano indray aho araka ny teninao. Mon âme se fond de chagrin, relève-moi selon ta parole.
Sal 119:29 Remove from me the way of lying: and grant me thy law graciously. Ny lalan' ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy. Halaviro ny làlan' ny lainga aho, fa omeo ahy ny soa ao amin' ny lalànao. Détourne-moi de la voie de mensonge, fais-moi la grâce de ta loi.
Sal 119:30 I have chosen the way of truth: thy judgments have I laid before me. Ny lalàn' ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao. Nifidy ny làlan' ny fahamarinana aho, ataoko eo imasoko ny didinao. J' ai choisi la voie de vérité, je me conforme à tes jugements.
Sal 119:31 I have stuck unto thy testimonies: O Lord, put me not to shame. Mifikitra amin' ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho; Nifikitra tamin' ny fampianaranao aho; ry Iaveh, aza avela ho azon-kenatra aho. J' adhère à ton témoignage, Yahvé, ne me déçois pas.
Sal 119:32 I will run the way of thy commandments, when thou shalt enlarge my heart. Ny lalan' ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko. Mihazakazaka eo amin' ny làlan' ny didinao aho, fa nohalalahinao ny foko. Je cours sur la voie de tes commandements, car tu as mis mon coeur au large.
Sal 119:33 Teach me, O Lord, the way of thy statutes; and I shall keep it unto the end. Jehovah ô, toroy ny lalan' ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin' ny farany izany. HE Ry Iaveh ô, ampianaro ny làlan' ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin' ny faran' ny aiko. Enseigne-moi, Yahvé, la voie de tes volontés, je la veux garder en récompense.
Sal 119:34 Give me understanding, and I shall keep thy law; yea, I shall observe it with my whole heart. Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin' ny foko rehetra aho. Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin' ny foko rehetra. Fais-moi comprendre et que je garde ta loi, que je l' observe de tout coeur.
Sal 119:35 Make me to go in the path of thy commandments; for therein do I delight. Ampandehano amin' ny lalan' ny didinao aho; Fa izany no sitrako. Tariho aho amin' ny làlan' ny didinao, fa ao no hahitako fahasambarana. Guide-moi au chemin de tes commandements, car j' ai là mon plaisir.
Sal 119:36 Incline my heart unto thy testimonies, and not to covetousness. Amporisiho ny foko ho amin' ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin' ny fieremana. Atongilano ho amin' ny fampianaranao ny foko, fa tsy ho amin' ny fahazoan-tombony. Infléchis mon coeur vers ton témoignage, et non point vers le gain.
Sal 119:37 Turn away mine eyes from beholding vanity; and quicken thou me in thy way. Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin' ny lalanao aho. Avilio tsy hahita izay zava-poana ny masoko; ataovy velona ao amin' ny làlanao aho. Libère mes yeux des images de rien, vivifie-moi par ta parole.
Sal 119:38 Stablish thy word unto thy servant, who is devoted to thy fear. Tovy ny teninao amin' ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra. Toavy amin' ny mpanomponao ny fampanantenanao, izay nataonao ho an' ny olona matahotra anao. Tiens ta promesse à ton serviteur, afin qu' on te craigne.
Sal 119:39 Turn away my reproach which I fear: for thy judgments are good. Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao. Esory amiko ny fahafaham-baraka izay atahorako; fa tsara ny didinao. Libère-moi de l' insulte qui m'épouvante, tes jugements sont les bienvenus.
Sal 119:40 Behold, I have longed after thy precepts: quicken me in thy righteousness. Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin' ny fahamarinanao. Mirehi-paniriana hanaraka ny didinao aho, velomy amin' ny fahamarinanao aho. Voici, j' ai désiré tes préceptes, vivifie-moi par ta justice.
Sal 119:41 Let thy mercies come also unto me, O Lord, even thy salvation, according to thy word. Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao. VAV Ho tonga amiko anie ny famindram-ponao, ry Iaveh ô, sy ny famonjenao araka ny teninao! Que me vienne ton amour, Yahvé, ton salut selon ta promesse!
Sal 119:42 So shall I have wherewith to answer him that reproacheth me: for I trust in thy word. Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao. Ary ho haiko valiana izay maniratsira ahy, fa mitoky amin' ny teninao aho. Que je riposte à l' insulte par la parole, car je compte sur ta parole.
Sal 119:43 And take not the word of truth utterly out of my mouth; for I have hoped in thy judgments. Ary aza dia esorina amin' ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho. Aza esorina amin' ny vavako, tsy hisy intsony, ny tenim-pahamarinana, fa ny didinao no antenaiko. N'ôte pas de ma bouche la parole de vérité, car j' espère en tes jugements.
Sal 119:44 So shall I keep thy law continually for ever and ever. Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria. Sitrako tsy tapaka ny mitandrina ny didinao; mandrakariva sy mandrakizay. J' observerai ta loi sans relâche pour toujours et à jamais.
Sal 119:45 And I will walk at liberty: for I seek thy precepts. Ary handeha amin' ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko. handeha amin' ny malalaka aho, fa ny didinao no katsahiko. Je serai au large en ma démarche, car je cherche tes préceptes.
Sal 119:46 I will speak of thy testimonies also before kings, and will not be ashamed. Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan' ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra. Hilaza ny fampianaranao eo anatrehan' ny mpanjaka aho, ka tsy ho menatra. Devant les rois je parlerai de ton témoignage, et n' aurai nulle honte.
Sal 119:47 And I will delight myself in thy commandments, which I have loved. Ary hiravoravo amin' ny didinao aho Satria tiako ireny. Ny didinao no hataoko fahafinaretako, fa tiako izy. Tes commandements ont fait mes délices, je les ai beaucoup aimés.
Sal 119:48 My hands also will I lift up unto thy commandments, which I have loved; and I will meditate in thy statutes. Hasandratro ny tanako ho amin' ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao. Hanandratra ny tànako amin' ny didinao, izay tiako, aho, ary hisaintsaina ny lalànao. Je tends les mains vers tes commandements que j' aime, tes volontés, je les médite.
Sal 119:49 Remember the word unto thy servant, upon which thou hast caused me to hope. Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy. ZAIN Tsarovy ny teny nomenao ny mpanomponao, izay ampiorenanao ny fanantenako. Rappelle-toi ta parole à ton serviteur, dont tu fis mon espoir.
Sal 119:50 This is my comfort in my affliction: for thy word hath quickened me. Izao no mampionona ahy amin' ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy. Izany no fiononako ao anatin' ny fahoriako, dia ny hameloman' ny teninao ahy indray. Voici ma consolation dans ma misère ta promesse me vivifie.
Sal 119:51 The proud have had me greatly in derision: yet have I not declined from thy law. Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin' ny lalànao aho. Manaraby ahy fatratra ireo mpiavonavona, fa tsy mba mivily amin' ny lalànao aho. Les superbes m' ont bafoué à plaisir, sur ta loi je n' ai pas fléchi.
Sal 119:52 I remembered thy judgments of old, O Lord; and have comforted myself. Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin' ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho. Ny didinao tamin' ny andro taloha no eritreretiko, ry Iaveh, ka mionona aho. Je me rappelle tes jugements d' autrefois, Yahvé, et je me console.
Sal 119:53 Horror hath taken hold upon me because of the wicked that forsake thy law. Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin' ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao. Azon' ny hatezerana aho noho ny amin' ny ratsy fanahy, izay mahafoy ny lalànao. La fureur me prend devant les impies, qui délaissent ta loi.
Sal 119:54 Thy statutes have been my songs in the house of my pilgrimage. Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin' ny trano fivahiniako. Ny lalànao no fihirako, eo amin' ny fitoerana fivahiniako. Cantiques pour moi, que tes volontés, en ma demeure d'étranger.
Sal 119:55 I have remembered thy name, O Lord, in the night, and have kept thy law. Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao. Mahatsiaro ny anaranao aho nony alina, ry Iaveh ô, ka mitandrina ny lalànao. Je me rappelle dans la nuit ton nom, Yahvé, et j' observe ta loi.
Sal 119:56 This I had, because I kept thy precepts. Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho. Izao no anjara nomena ahy: mitandrina ny didinao aho. Voici qui est pour moi garder tes préceptes.
Sal 119:57 Thou art my portion, O Lord: I have said that I would keep thy words. Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho. HETH Ny anjarako, ry Iaveh, lazaiko izany, dia ny mitandrina ny teninao. Ma part, ai-je dit, Yahvé, c' est d' observer tes paroles.
Sal 119:58 I intreated thy favour with my whole heart: be merciful unto me according to thy word. Mifona aminao amin' ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao. Mitalaho aminao amin' ny foko rehetra aho; mamindrà fo amiko araka ny teninao. De tout coeur, je veux attendrir ta face, pitié pour moi selon ta promesse!
Sal 119:59 I thought on my ways, and turned my feet unto thy testimonies. Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin' ny teni-vavolombelonao. Mieritreritra ny làlako aho, ka mampiverina ny diako ho araka ny fampianaranao. Je fais réflexion sur mes voies et je reviens à ton témoignage.
Sal 119:60 I made haste, and delayed not to keep thy commandments. Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin' ny fitandremana ny didinao. Midodododo aho, fa tsy mangataka andro, hitandrina ny didinao. Je me hâte et je ne retarde d' observer tes commandements.
Sal 119:61 The bands of the wicked have robbed me: but I have not forgotten thy law. Nihodidina tamiko ny famatoran' ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho. Manodidina ahy ny fandriky ny ratsy fanahy, fa tsy manadino ny lalànao aho. Les filets des impies m' environnent, je n' oublie pas ta loi.
Sal 119:62 At midnight I will rise to give thanks unto thee because of thy righteous judgments. Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina. Mifoha mamaton' alina hidera anao aho, noho ny fitsaran' ny fahamarinanao. Je me lève à minuit, te rendant grâce pour tes justes jugements,
Sal 119:63 I am a companion of all them that fear thee, and of them that keep thy precepts. Naman' izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman' izay mitandrina ny didinao. Sakaizan' izay rehetra matahotra anao aho; mbamin' izay mitandrina ny didinao. allié que je suis de tous ceux qui te craignent et observent tes préceptes.
Sal 119:64 The earth, O Lord, is full of thy mercy: teach me thy statutes. Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao. Henika ny hatsaram-ponao ny tany, ry Iaveh, ampianaro ny lalànao aho. De ton amour, Yahvé, la terre est pleine, apprends-moi tes volontés.
Sal 119:65 Thou hast dealt well with thy servant, O Lord, according unto thy word. Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao. TETH Nanehoanao ny hatsaram-ponao ny mpanomponao, araka ny teninao, ry Iaveh ô! Tu as fait du bien à ton serviteur, Yahvé, selon ta parole.
Sal 119:66 Teach me good judgment and knowledge: for I have believed thy commandments. Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho. Ampianaro ny fahalalana marina amam-pahafantarana aho; fa matoky ny didinao. Apprends-moi le bon sens et le savoir, car j' ai foi dans tes commandements.
Sal 119:67 Before I was afflicted I went astray: but now have I kept thy word. Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho. Naniasia aho, fony mbola tsy naetry, fa mitandrina ny teninao aho ankehitriny. Avant d'être affligé je m'égarais, maintenant j' observe ta promesse.
Sal 119:68 Thou art good, and doest good; teach me thy statutes. Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao. Tsara fo sy manao soa hianao, Ampianaro ny lalànao aho. Toi, le bon, le bienfaisant, apprends-moi tes volontés.
Sal 119:69 The proud have forged a lie against me: but I will keep thy precepts with my whole heart. Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin' ny foko rehetra no itandremako ny didinao. Misy mpiavonavona, mamoron-dainga hamelezany ahy; izaho kosa, mitandrina ny didinao amin' ny foko rehetra. Les superbes m' engluent de mensonge, moi de tout coeur je garde tes préceptes.
Sal 119:70 Their heart is as fat as grease; but I delight in thy law. Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako. Ny fon' izy ireo tsy mihontsina hoatra ny sabora, izaho kosa mahita ny fahafinaretako ao amin' ny lalànao. Leur coeur est épais comme la graisse, moi, ta loi fait mes délices.
Sal 119:71 It is good for me that I have been afflicted; that I might learn thy statutes. Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao. Soa ho ahy ny naetry mba hianarako ny didinao. Un bien pour moi, que d'être affligé afin d' apprendre tes volontés.
Sal 119:72 The law of thy mouth is better unto me than thousands of gold and silver. Ny lalàn' ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo. Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa. Un bien pour moi, que la loi de ta bouche, plus que millions d' or et d' argent.
Sal 119:73 Thy hands have made me and fashioned me: give me understanding, that I may learn thy commandments. Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao. YOD Ny tànanao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao. Tes mains m' ont fait et fixé, fais-moi comprendre, j' apprendrai tes commandements.
Sal 119:74 They that fear thee will be glad when they see me; because I have hoped in thy word. Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako. Hifaly amin' ny fahitana ahy, izay matahotra anao, fa mitoky amin' ny teninao aho. Qui te craint me voit avec joie, car j' espère en ta parole.
Sal 119:75 I know, O Lord, that thy judgments are right, and that thou in faithfulness hast afflicted me. Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy. Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsaranao; tamin' ny fahamarinanao no nanetrenao ahy. Je sais, Yahvé, qu' ils sont justes, tes jugements, que tu m' affliges avec vérité.
Sal 119:76 Let, I pray thee, thy merciful kindness be for my comfort, according to thy word unto thy servant. Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin' ny mpanomponao. Ny hatsaram-ponao anie no ho fiononako, araka ny teny nomena ny mpanomponao. Que ton amour me soit consolation, selon ta promesse à ton serviteur!
Sal 119:77 Let thy tender mercies come unto me, that I may live: for thy law is my delight. Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako. Ho tonga amiko anie ny fiantranao ary ho velona anie aho, fa ny lalànao no fahafinaretako. Que m' advienne ta tendresse et je vivrai, car ta loi fait mes délices.
Sal 119:78 Let the proud be ashamed; for they dealt perversely with me without a cause: but I will meditate in thy precepts. Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao. Aoka ny mpiavonavona nampahory ahy tsy an-drariny ho menatra; izaho kosa misaintsaina ny didinao. Honte aux superbes qui m' accablent de mensonge! moi, je médite tes préceptes.
Sal 119:79 Let those that fear thee turn unto me, and those that have known thy testimonies. Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao. Aoka hitodika ho atý amiko izay matahotra anao, mbamin' izay mahalala ny fampianaranao. Que se tournent vers moi ceux qui te craignent et qui savent ton témoignage!
Sal 119:80 Let my heart be sound in thy statutes; that I be not ashamed. Aoka ho marina tsara ny foko amin' ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho. Ny foko manontolo anie ho amin' ny lalànao, mba tsy ho menatra aho. Que mon coeur soit impeccable en tes volontés pas de honte alors pour moi.
Sal 119:81 My soul fainteth for thy salvation: but I hope in thy word. Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako. KAPH Haninin' ny fanahiko ny famonjenao; ny teninao no antenaiko. Jusqu' au bout mon âme ira pour ton salut, j' espère en ta parole.
Sal 119:82 Mine eyes fail for thy word, saying, When wilt thou comfort me? Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao? Valalanina ny masoko miandry ny fampanantenanao, hoy aho: Rahoviana no hampionona ahy hianao? Jusqu' au bout mes yeux pour ta promesse, quand m' auras-tu consolé?
Sal 119:83 For I am become like a bottle in the smoke; yet do I not forget thy statutes. Fa tahaka ny siny hoditra ao amin' ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko. Fa efa tahaka ny siny hoditra mitanina amin' ny setroka aho, nefa tsy manadino ny lalànao. Rendu pareil à une outre qu' on enfume, je n' oublie pas tes volontés.
Sal 119:84 How many are the days of thy servant? when wilt thou execute judgment on them that persecute me? Hoatrinona no andron' ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin' izay manenjika ahy Hianao? Manana andro firy moa ny mpanomponao? Mba rahoviana no hamaizanao izay manenjika ahy? Combien seront les jours de ton serviteur, quand jugeras-tu mes persécuteurs?
Sal 119:85 The proud have digged pits for me, which are not after thy law. Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao. Mihady lavaka hahaverezany ahy ireo mpiavonavona, izay mpanohitra ny lalànao. Des superbes me creusent des fosses à l' encontre de ta loi.
Sal 119:86 All thy commandments are faithful: they persecute me wrongfully; help thou me. Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho. Ny didinao rehetra dia fahamarinana; mpanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy ireo: vonjeo aho. Vérité, tous tes commandements : aide-moi, quand le mensonge me persécute.
Sal 119:87 They had almost consumed me upon earth; but I forsook not thy precepts. Saiky laniny teo amin' ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao. Efa saiky nolevoniny eto amin' ny tany aho, fa izaho kosa tsy mba nahafoy ny didinao. On viendrait à bout de moi sur terre, sans que je laisse tes préceptes.
Sal 119:88 Quicken me after thy lovingkindness; so shall I keep the testimony of thy mouth. Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho. Velomy amin' ny hatsaram-ponao aho, dia hankato ny fampianaran' ny vavanao. Selon ton amour vivifie-moi, je garderai le témoignage de ta bouche.
Sal 119:89 For ever, O Lord, thy word is settled in heaven. Ho mandrakizay, Jehovah ô, no nanorenanao any an-danitra ny teninao. LAMED Iaveh ô, ny teninao, miorina mandrakizay any an-danitra. A jamais, Yahvé, ta parole, immuable aux cieux;
Sal 119:90 Thy faithfulness is unto all generations: thou hast established the earth, and it abideth. Hihatra amin' ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy. Maharitra amin' ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinany; nanorina ny tany hianao, dia maharitra izy. d'âge en âge, ta vérité; tu fixas la terre, elle subsiste;
Sal 119:91 They continue this day according to thine ordinances: for all are thy servants. Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra. Araka ny lalànao no mbola aharetan' ny zavatra rehetra mandraka androany; fa manaiky ny fandaharanao ny zavatra rehetra. par tes jugements tout subsiste à ce jour, car toute chose est ta servante.
Sal 119:92 Unless thy law had been my delights, I should then have perished in mine affliction. Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin' ny fahoriako aho. Raha tsy ny lalànao no nataoko fahafinaretako, dia efa maty tamin' ny fahoriako aho toy izay. Si ta loi n' eût fait mes délices, je périssais dans la misère.
Sal 119:93 I will never forget thy precepts: for with them thou hast quickened me. Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy. Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao, fa izy no namelomanao ahy indray. Jamais je n' oublierai tes préceptes, par eux tu me vivifies.
Sal 119:94 I am thine, save me: for I have sought thy precepts. Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko. Anao aho: dia vonjeo, fa mitady ny didinao. Je suis tien, sauve-moi, je cherche tes préceptes.
Sal 119:95 The wicked have waited for me to destroy me: but I will consider thy testimonies. Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hamono ahy: mihaino tsara ny fampianaranao aho. Que les impies me guettent pour ma perte, je comprends ton témoignage.
Sal 119:96 I have seen an end of all perfection: but thy commandment is exceeding broad. Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao. Efa hitako fa misy fetra avokoa ny lavorary, ny didinao no tsy manam-petra. De toute perfection j' ai vu le bout combien large, ton commandement!
Sal 119:97 O how I love thy law! it is my meditation all the day. Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany. MEM Endrey izany fitiavako ny lalànao! izy no fisaintsainako tontolo andro. Que j' aime ta loi! tout le jour, je la médite.
Sal 119:98 Thou through thy commandments hast made me wiser than mine enemies: for they are ever with me. Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny. Ataonao hendry noho ny fahavaloko aho, amin' ny didinao, satria ato amiko mandrakariva aho. Plus que mes ennemis tu me rends sage par ton commandement, toujours mien.
Sal 119:99 I have more understanding than all my teachers: for thy testimonies are my meditation. Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako. Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho satria ny fampianaranao no fisaintsainako. Plus que tous mes maîtres j' ai la finesse, ton témoignage, je le médite.
Sal 119:100 I understand more than the ancients, because I keep thy precepts. Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako. Manan-tsaina noho ny anti-panahy aho, satria mitandrina ny didinao. Plus que les anciens j' ai l' intelligence, tous tes préceptes, je les garde.
Sal 119:101 I have refrained my feet from every evil way, that I might keep thy word. Efa narovako ny tongotro tsy ho amin' izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao. Hazoniko lavitra ny làlan-dratsy rehetra ny tongotro, mba hitandremako ny teninao. A tout chemin de mal je soustrais mes pas, pour observer ta parole.
Sal 119:102 I have not departed from thy judgments: for thou hast taught me. Tsy mba miala amin' ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy. Tsy mba miala amin' ny didinao aho, fa hianao no nampianatra ahy. De tes jugements je ne me détourne point, car c' est toi qui m' enseignes.
Sal 119:103 How sweet are thy words unto my taste! yea, sweeter than honey to my mouth! Endrey ny hamamin' ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! Endrey, mamy loatra amin' ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin' ny vavako. Qu' elle est douce à mon palais ta promesse, plus que le miel à ma bouche!
Sal 119:104 Through thy precepts I get understanding: therefore I hate every false way. Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra. Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny làlan' ny fitaka rehetra aho. Par tes préceptes j' ai l' intelligence et je hais tout chemin de mensonge.
Sal 119:105 Thy word is a lamp unto my feet, and a light unto my path. Fanilon' ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao. NUN Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dàlako. Une lampe sur mes pas, ta parole, une lumière sur ma route.
Sal 119:106 I have sworn, and I will perform it, that I will keep thy righteous judgments. Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany. Efa nianiana aho, ary tsy hivadika amin' izany, fa hitandrina ny didim-pahamarinanao. J' ai juré d' observer, et je tiendrai, tes justes jugements.
Sal 119:107 I am afflicted very much: quicken me, O Lord, according unto thy word. Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao. Tonga amin' ny fara-fahoriana aho, Iaveh ô, velomy indray aho araka ny teninao. Je suis au fond de la misère, Yahvé, vivifie-moi selon ta parole.
Sal 119:108 Accept, I beseech thee, the freewill offerings of my mouth, O Lord, and teach me thy judgments. Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao. Ankasitraho, ry Iaveh, ny fanatitra aloaky ny molotro, ary ampianaro ahy ny didinao. Agrée l' offrande de ma bouche, Yahvé, apprends-moi tes jugements.
Sal 119:109 My soul is continually in my hand: yet do I not forget thy law. An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho. An-tenda lava izao ny aiko, nefa tsy manadino ny lalànao aho. Mon âme à tout moment entre mes mains, je n' oublie pas ta loi.
Sal 119:110 The wicked have laid a snare for me: yet I erred not from thy precepts. Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin' ny didinao aho. Mamela-pandrika hamelezana ahy ny ratsy fanahy, nefa tsy mania lavitra ny didinao aho. Que les impies me tendent un piège, je ne dévie pas de tes préceptes.
Sal 119:111 Thy testimonies have I taken as an heritage for ever: for they are the rejoicing of my heart. Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian' ny foko izany. Ny fampianaranao no ananako mandrakizay mba ho lova, fa fifalian' ny foko izy. Ton témoignage est à jamais mon héritage, il est la joie de mon coeur.
Sal 119:112 I have inclined mine heart to perform thy statutes alway, even unto the end. Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin' ny farany. Nandraika ny foko hitandrina ny didinao aho, mandrakizay, hatramin' ny farany. J' infléchis mon coeur à faire tes volontés, récompense pour toujours.
Sal 119:113 I hate vain thoughts: but thy law do I love. Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako. SAMECH Halako ny olona miroa fo, ary tia ny lalànao aho. Je hais les coeurs partagés et j' aime ta loi.
Sal 119:114 Thou art my hiding place and my shield: I hope in thy word. Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako. Fialofako sy ampingako hianao mitoky amin' ny teninao aho Toi mon abri, mon bouclier, j' espère en ta parole.
Sal 119:115 Depart from me, ye evildoers: for I will keep the commandments of my God. Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin' Andriamanitro. Miala amiko hianareo, ratsy fanahy, dia hitandrina ny didin' Andriamanitra aho. Détournez-vous de moi, méchants, je veux garder les commandements de mon Dieu.
Sal 119:116 Uphold me according unto thy word, that I may live: and let me not be ashamed of my hope. Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin' ny fanantenako aho. Tohany araka ny fampanantenanao aho, mba ho velona, ary aza avela hahazoako henatra ny fanantenako. Sois mon soutien selon ta promesse et je vivrai, ne fais pas honte à mon attente.
Sal 119:117 Hold thou me up, and I shall be safe: and I will have respect unto thy statutes continually. Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva. Aoka ho tohako hianao, dia ho voavonjy aho, ka eo imasoko mandrakariva ny lalànao. Sois mon appui et je serai sauvé, mes yeux sur tes volontés sans relâche.
Sal 119:118 Thou hast trodden down all them that err from thy statutes: for their deceit is falsehood. Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin' ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany. Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin' ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny. Tu renverses tous ceux qui sortent de tes volontés, mensonge est leur calcul.
Sal 119:119 Thou puttest away all the wicked of the earth like dross: therefore I love thy testimonies. Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin' ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao. Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin' ny tany; noho izany dia tiako ny fampianaranao. Tu considères comme une rouille tous les impies de la terre, aussi j' aime ton témoignage.
Sal 119:120 My flesh trembleth for fear of thee; and I am afraid of thy judgments. Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho. Mangovitra noho ny tahotra ny nofoko eo anatrehanao, ary matahotra ny fitsaranao aho. De ton effroi tremble ma chair, sous tes jugements je crains.
Sal 119:121 I have done judgment and justice: leave me not to mine oppressors. Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin' ny mpampahory ahy. AIN Manaraka ny rariny sy ny fahamarinana aho; aza dia foinao ho an' ny mpampahory ahy aho. Mon action fut jugement et justice, ne me livre pas à mes bourreaux.
Sal 119:122 Be surety for thy servant for good: let not the proud oppress me. Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha. Aoka hianao hiantoka ny fananan' ny mpanomponao, ary aoka tsy hampahorian' ny mpiavonavona aho. A ton serviteur sois allié pour le bien, que les superbes ne me torturent.
Sal 119:123 Mine eyes fail for thy salvation, and for the word of thy righteousness. Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin' ny fahamarinanao. Valalanina ny masoko miandry ny famonjenao, sy ny fampanantenanao ny fitsarana marina. Jusqu' au bout vont mes yeux pour ton salut, pour ta promesse de justice.
Sal 119:124 Deal with thy servant according unto thy mercy, and teach me thy statutes. Ataovy amin' ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao. Ento araka ny hatsaram-ponao ny mpanomponao, ary ampianaro ny lalànao aho. Agis avec ton serviteur selon ton amour, apprends-moi tes volontés.
Sal 119:125 I am thy servant; give me understanding, that I may know thy testimonies. Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao. Mpanomponao aho, ka omeo fahazavan-tsaina, mba hahalalako ny fampianaranao. Je suis ton serviteur, fais-moi comprendre, et je saurai ton témoignage.
Sal 119:126 It is time for thee, Lord, to work: for they have made void thy law. Efa andro tokony hampisehoan' i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona. Fotoana tokony hiraharahan' ny Tompo izao, fa mandika ny lalànao izy ireo. Il est temps d' agir, Yahvé on a violé ta loi.
Sal 119:127 Therefore I love thy commandments above gold; yea, above fine gold. Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza. Noho izany dia tia ny didinao aho, mihoatra ny volamena, sy ny volamena madio. Aussi j' aime tes commandements, plus que l' or et que l' or fin.
Sal 119:128 Therefore I esteem all thy precepts concerning all things to be right; and I hate every false way. Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra; Noho izany dia hitako fa marina avokoa ny didinao; halako ny làlam-pitaka rehetra. Aussi je me règle sur tous tes préceptes et je hais tout chemin de mensonge.
Sal 119:129 Thy testimonies are wonderful: therefore doth my soul keep them. Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko. PHE Mahagaga ny fampianaranao, ka mitandrina azy ny fanahiko. Merveille que ton témoignage; aussi mon âme le garde.
Sal 119:130 The entrance of thy words giveth light; it giveth understanding unto the simple. Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an' ny kely saina. Mahazava, ny famelarana ny teninao; ka mampahazo saina ny olona tsotra. Ta parole en se découvrant illumine, et les simples comprennent.
Sal 119:131 I opened my mouth, and panted: for I longed for thy commandments. Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko. Atanatanako ny vavako, dia mitroka aho, fa lian-kitelina ny didinao aho. J' ouvre large ma bouche et j' aspire, avide de tes commandements.
Sal 119:132 Look thou upon me, and be merciful unto me, as thou usest to do unto those that love thy name. Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran' izay tia ny anaranao. Atodiho ahy ny tavanao, ka mamindrà fo amiko; fa rariny izany ho an' izay tia ny anaranao. Regarde vers moi, pitié pour moi, c' est justice pour les amants de ton nom.
Sal 119:133 Order my steps in thy word: and let not any iniquity have dominion over me. Ampitoero eo amin' ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. Afikiro amin' ny teninao ny diako, ary aza avela hisy haratsiana hanjaka ato amiko. Fixe mes pas dans ta promesse, que ne triomphe de moi le mal.
Sal 119:134 Deliver me from the oppression of man: so will I keep thy precepts. Vonjeo amin' ny fampahorian' ny olona Dia hitandrina ny didinao. Afaho amin' ny fampahorian' ny olombelona aho, dia hitandrina ny didinao. Rachète-moi de la torture de l' homme, j' observerai tes préceptes.
Sal 119:135 Make thy face to shine upon thy servant; and teach me thy statutes. Ampamirapirato amin' ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao. Ampamirapirato amin' ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ny lalànao aho. Pour ton serviteur illumine ta face, apprends-moi tes volontés.
Sal 119:136 Rivers of waters run down mine eyes, because they keep not thy law. Rano mandriaka no mijononoka amin' ny masoko Noho ny tsi-fitandreman' ny olona ny lalànao. Mandrotsa-dranomaso mandriaka ny masoko, noho ny tsy fitandreman' ny olona ny lalànao. Mes yeux ruissellent de larmes, car on n' observe pas ta loi.
Sal 119:137 Righteous art thou, O Lord, and upright are thy judgments. Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao. TSADE Marina hianao, ry Iaveh, ary araka ny rariny ny fitsaranao. O juste que tu es, Yahvé! Droiture que tes jugements.
Sal 119:138 Thy testimonies that thou hast commanded are righteous and very faithful. Efa voadidinao amin' ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao. Namoaka ny fampianaranao hianao araka ny rariny, sy ny fahamarinana lavorary. Tu imposes comme justice ton témoignage, comme entière vérité.
Sal 119:139 My zeal hath consumed me, because mine enemies have forgotten thy words. Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy. Mandritra aina ahy ny fahazotoako, satria manadino ny teninao ireo mpanohitra ahy. Mon zèle me consume, car mes oppresseurs oublient ta parole.
Sal 119:140 Thy word is very pure: therefore thy servant loveth it. Voazaha toetra tamin' ny memy ny teninao, Ka dia tian' ny mpanomponao. Voazaha toetra tanteraka ny teninao, ka tia azy ny mpanomponao. Ta promesse est éprouvée entièrement, ton serviteur la chérit.
Sal 119:141 I am small and despised: yet do not I forget thy precepts. Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao. Sady kely aho no mavomavo, fa tsy mba manadino ny didinao. Chétif que je suis et méprisé, je n' oublie pas tes préceptes.
Sal 119:142 Thy righteousness is an everlasting righteousness, and thy law is the truth. Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao. Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, ary ny lalànao dia fahamarinana. Justice éternelle que ta justice, vérité que ta loi.
Sal 119:143 Trouble and anguish have taken hold on me: yet thy commandments are my delights. Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako. Tratry ny fahoriana aman-tebiteby aho; ny didinao no fahafinaretako. Angoisse, oppression m' ont saisi, tes commandements font mes délices.
Sal 119:144 The righteousness of thy testimonies is everlasting: give me understanding, and I shall live. Ny fahamarinan' ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona. Marina mandrakizay ny fampianaranao, omeo ny fahazavan-tsaina aho, mba ho velona. Justice éternelle que ton témoignage, fais-moi comprendre et je vivrai.
Sal 119:145 I cried with my whole heart; hear me, O Lord: I will keep thy statutes. Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako; QOPH Miantso anao amin' ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao. J' appelle de tout coeur, réponds-moi, Yahvé, je garderai tes volontés.
Sal 119:146 I cried unto thee; save me, and I shall keep thy testimonies. Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao. Miantso anao aho, ka vonjeo, mba hanarahako ny fampianaranao. Je t' appelle, sauve-moi, j' observerai ton témoignage.
Sal 119:147 I prevented the dawning of the morning, and cried: I hoped in thy word. Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako. Alohan' ny mazava atsinanana dia efa mitaraina aminao aho; matoky ny teninao aho. Je devance l' aurore et j' implore, j' espère en ta parole.
Sal 119:148 Mine eyes prevent the night watches, that I might meditate in thy word. Nialoha ny fiambenana amin' ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao. Mialoha ny fiambenan' alina ny masoko, mba hisaintsaina ny teninao. Mes yeux devancent les veilles pour méditer sur ta promesse.
Sal 119:149 Hear my voice according unto thy lovingkindness: O Lord, quicken me according to thy judgment. Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao. Henoy araka ny hatsaram-ponao ny feoko; velomy aho indray, ry Iaveh, araka ny fandaharanao. En ton amour écoute ma voix, Yahvé, en tes jugements vivifie-moi.
Sal 119:150 They draw nigh that follow after mischief: they are far from thy law. Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao. Efa mby akaiky ireo mpanaraka ny ratsy, izay nihataka tamin' ny lalànao. Ils s' approchent de l' infamie, mes persécuteurs, ils s'éloignent de ta loi.
Sal 119:151 Thou art near, O Lord; and all thy commandments are truth. Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra. Akaiky hianao, ry Iaveh, ary fahamarinana avokoa ny didinao. Tu es proche, toi, Yahvé, vérité que tous tes commandements.
Sal 119:152 Concerning thy testimonies, I have known of old that thou hast founded them for ever. Efa fantatro ela tamin' ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny. Efa fantatro ela ny amin' ny fampianaranao, fa naorinao ho mandrakizay izy. Dès longtemps, j' ai su de ton témoignage qu'à jamais tu l' as fondé.
Sal 119:153 Consider mine affliction, and deliver me: for I do not forget thy law. Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko. RESCH Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; fa tsy manadino ny lalànao aho. Vois ma misère, délivre-moi, car je n' oublie pas ta loi.
Sal 119:154 Plead my cause, and deliver me: quicken me according to thy word. Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao. Arovy aho amin' ny adiko, ary valio ny ratsy natao tamiko; velomy indray aho araka ny teninao. Plaide ma cause, défends-moi, en ta promesse vivifie-moi.
Sal 119:155 Salvation is far from the wicked: for they seek not thy statutes. Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny. Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria tsy asiany raharaha ny lalànao. Il est loin des impies, le salut, ils ne recherchent pas tes volontés.
Sal 119:156 Great are thy tender mercies, O Lord: quicken me according to thy judgments. Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao. Betsaka ny famindram-ponao, ry Iaveh, velomy indray aho araka ny fandaharanao. Nombreuses tes tendresses, Yahvé, en tes jugements vivifie-moi.
Sal 119:157 Many are my persecutors and mine enemies; yet do I not decline from thy testimonies. Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin' ny teni-vavolombelonao aho. Maro ny mpanenjika amam-pandrafy ahy; tsy mba mihataka amin' ny fampianaranao aho. Nombreux mes persécuteurs, mes oppresseurs, je n' ai pas fléchi sur ton témoignage.
Sal 119:158 I beheld the transgressors, and was grieved; because they kept not thy word. Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao. Tsiravina aho, mahita ny mpivadika, satria tsy mba mitandrina ny teninao ireny. J' ai vu les renégats, ils m'écoeurent, ils n' observent pas ta promesse.
Sal 119:159 Consider how I love thy precepts: quicken me, O Lord, according to thy lovingkindness. He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao. Dinihonao fa tiako ny didinao; Iaveh ô, velomy indray aho araka ny hatsaram-ponao. Vois si j' aime tes préceptes, Yahvé, en ton amour vivifie-moi.
Sal 119:160 Thy word is true from the beginning: and every one of thy righteous judgments endureth for ever. Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao, ary mandrakizay avokoa ny lalàn' ny fahamarinanao. Vérité, le principe de ta parole! pour l'éternité, tes justes jugements.
Sal 119:161 Princes have persecuted me without a cause: but my heart standeth in awe of thy word. Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran' ny foko. SCHIN Enjehim-panjaka tsy ahoan-tsy ahoana aho; ny teninao no hany atahoran' ny foko. Des princes me persécutent sans raison, mon coeur redoute ta parole.
Sal 119:162 I rejoice at thy word, as one that findeth great spoil. Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be. Mifaly amin' ny teninao aho, hoatra ny mahazo babo be. Joie pour moi dans ta promesse, comme à trouver grand butin.
Sal 119:163 I hate and abhor lying: but thy law do I love. Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako. Halako, mahatsiravina ahy ny lainga; tia ny lalànao aho. Le mensonge, je le hais, je l' exècre, ta loi, je l' aime.
Sal 119:164 Seven times a day do I praise thee because of thy righteous judgments. Impito isan' andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina. Midera anao impito isan' andro aho, noho ny lalàn' ny fahamarinanao. Sept fois le jour, je te loue pour tes justes jugements.
Sal 119:165 Great peace have they which love thy law: and nothing shall offend them. Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy. Be fiadanana izay tia ny lalànao; ary tsy misy zava-manafintohina azy. Grande paix pour les amants de ta loi, pour eux rien n' est scandale.
Sal 119:166 LORD, I have hoped for thy salvation, and done thy commandments. Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao. Manantena ny famonjena aho, ry Iaveh, ary manaraka ny didinao. J' attends ton salut, Yahvé, tes commandements, je les suis.
Sal 119:167 My soul hath kept thy testimonies; and I love them exceedingly. Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy. Mitandrina ny fampianaranao ny fanahiko, ary miraiki-pitia amin' izany izy. Mon âme observe ton témoignage, je l' aime entièrement.
Sal 119:168 I have kept thy precepts and thy testimonies: for all my ways are before thee. Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao. Mitana ny fandaharanao amana fampianaranao aho; fa eo anatrehanao avokoa ny làlako. J' observe tes préceptes, ton témoignage, toutes mes voies sont devant toi.
Sal 119:169 Let my cry come near before thee, O Lord: give me understanding according to thy word. Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao. THAV Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitarainako, ry Iaveh ô ; Omeo fahazavan-tsaina araka ny teninao aho. Que mon cri soit proche de ta face, Yahvé, par ta parole fais-moi comprendre.
Sal 119:170 Let my supplication come before thee: deliver me according to thy word. Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao. Ho tonga hatrany aminao anie ny fifonako, afaho, araka ny teninao, aho. Que ma prière arrive devant ta face, par ta promesse délivre-moi.
Sal 119:171 My lips shall utter praise, when thou hast taught me thy statutes. Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao. Hamoaka fiderana anao anie ny molotro, satria nampianarinao ahy ny lalànao. Que mes lèvres publient ta louange, car tu m' apprends tes volontés.
Sal 119:172 My tongue shall speak of thy word: for all thy commandments are righteousness. Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra. Hitory ny teninao anie ny lelako, fa marina avokoa ny didinao. Que ma langue redise ta promesse, car tous tes commandements sont justice.
Sal 119:173 Let thine hand help me; for I have chosen thy precepts. Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho. Hivelatra hamonjy ahy anie ny tànanao; fa efa nifidy ny fandaharanao aho. Que ta main me soit en aide, car j' ai choisi tes préceptes.
Sal 119:174 I have longed for thy salvation, O Lord; and thy law is my delight. Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako. Maniry ny famonjenao aho, ry Iaveh ô, ary ny lalànao no fahafinaretako. J' ai désir de ton salut, Yahvé, ta loi fait mes délices.
Sal 119:175 Let my soul live, and it shall praise thee; and let thy judgments help me. Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao. Ho velon-kidera anao anie ny fanahiko, ary ho avy hamonjy ahy ny fitsaranao. Que vive mon âme à te louer, tes jugements me soient en aide!
Sal 119:176 I have gone astray like a lost sheep; seek thy servant; for I do not forget thy commandments. Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko. Mania toy ny ondry very aho: tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho. Je m'égare, brebis perdue viens chercher ton serviteur. Non, je n' ai pas oublié tes commandements.

<-
->