<-
->

Sal 147:1 Praise ye the Lord: for it is good to sing praises unto our God; for it is pleasant; and praise is comely. Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an' Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana. Aleloia! Miderà an' ny Tompo, fa tsara ny mankalaza ny Andriamanitsika, fa mamy sy mendrika ny midera azy. Alleluia! Louez Yahvé il est bon de chanter, notre Dieu douce est la louange.
Sal 147:2 The Lord doth build up Jerusalem: he gathereth together the outcasts of Israel. Manangana an' i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy. Manangana an' i Jerosalema indray Iaveh, angoniny ireo tafaely avy tamin' Israely. Bâtisseur de Jérusalem, Yahvé! il rassemble les déportés d' Israël,
Sal 147:3 He healeth the broken in heart, and bindeth up their wounds. Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny. Sitraniny ireo torotoro fo, ary feheziny ny ferin' izy ireo. lui qui guérit les coeurs brisés et qui bande leurs blessures;
Sal 147:4 He telleth the number of the stars; he calleth them all by their names. Milaza ny isan' ny kintana Izy: Samy tononiny amin' ny anarany ireny rehetra ireny. Manisa ny isan' ny kintana izy, ary tononiny samy amin' ny anarany avy izy rehetra. qui compte le nombre des étoiles, et il appelle chacune par son nom.
Sal 147:5 Great is our Lord, and of great power: his understanding is infinite. Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany. Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany. Il est grand, notre Seigneur, tout-puissant, à son intelligence point de mesure.
Sal 147:6 The Lord lifteth up the meek: he casteth the wicked down to the ground. Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin' ny tany. Manati-bonjy ho an' ny manetry tena Iaveh, fa manetry ny ratsy fanahy amin' ny tany kosa. Yahvé soutient les humbles, jusqu'à terre il abaisse les impies.
Sal 147:7 Sing unto the Lord with thanksgiving; sing praise upon the harp unto our God: Mihirà fiderana ho an' i Jehovah; Mankalazà an' Andriamanitsika amin' ny lokanga, Manaova hira fisaorana ho an' ny Tompo; mankalazà ny Andriamanitsika amin' ny harpa! Entonnez pour Yahvé l' action de grâces, jouez pour notre Dieu sur la harpe
Sal 147:8 Who covereth the heaven with clouds, who prepareth rain for the earth, who maketh grass to grow upon the mountains. Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin' ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra, Fa saronany rahona ny lanitra, ary ny tany amononany ranonorana; mampaniry ahitra ny tendrombohitra izy. lui qui drape les cieux de nuées, qui prépare la pluie à la terre, qui fait germer l' herbe sur les monts et les plantes au service de l' homme,
Sal 147:9 He giveth to the beast his food, and to the young ravens which cry. Manome hanina ho an' ny biby Izy Sy ho an' ny zana-goaika izay mitaraina. Manome hanina ny biby fiompy, sy ny zana-goaika mitaraina aminy izy. qui dispense au bétail sa pâture, aux petits du corbeau qui crient.
Sal 147:10 He delighteth not in the strength of the horse: he taketh not pleasure in the legs of a man. Tsy ny herin' ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany. Tsy ny herin' ny soavaly no ankasitrahany, na ny tongotr' olombelona no mahafinaritra azy, Ni la vigueur du cheval ne lui agrée, ni le jarret de l' homme ne lui plaît;
Sal 147:11 The Lord taketh pleasure in them that fear him, in those that hope in his mercy. Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony. fa ny fankasitrahan' ny Tompo dia ireo matahotra azy, ireo manantena ny hatsaram-pony. Yahvé se plaît en ceux qui le craignent, en ceux qui espèrent son amour.
Sal 147:12 Praise the Lord, O Jerusalem; praise thy God, O Zion. Mankalazà an' i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an' Andriamanitrao, ry Ziona ô. Ry Jerosalema ô, mankalazà ny Iaveh, ry Siona ô, miderà ny Andriamanitrao. Fête Yahvé, Jérusalem, loue ton Dieu, ô Sion!
Sal 147:13 For he hath strengthened the bars of thy gates; he hath blessed thy children within thee. Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao. Fa nohamafisiny ny hidim-bavahadinao, hasoaviny ny zanakao eo afovoanao. Il renforça les barres de tes portes, il a chez toi béni tes enfants;
Sal 147:14 He maketh peace in thy borders, and filleth thee with the finest of the wheat. Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao. Ataony mandry fahizay ny vava taninao, vokisany vary tsara indrindra hianao. il assure ton sol dans la paix, de la graisse du froment te rassasie.
Sal 147:15 He sendeth forth his commandment upon earth: his word runneth very swiftly. Mampandeha ny didiny ho amin' ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny. Mandefa ny teniny ho amin' ny tany izy, faingana dia faingana no fandehan' ny teniny. Il envoie son verbe sur terre, rapide court sa parole;
Sal 147:16 He giveth snow like wool: he scattereth the hoarfrost like ashes. Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy. Mandatsaka oram-panala, tahaka ny volon' ondry izy, ary mandraraka fanala tahaka ny lavenona. il dispense la neige comme laine, répand le givre comme cendre.
Sal 147:17 He casteth forth his ice like morsels: who can stand before his cold? Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany? Atsipiny am-bakivakiny ny vongan-dranomandriny, ka zovy no mahatoha ny hatsiakany? Il jette sa glace par morceaux à sa froidure, qui peut tenir?
Sal 147:18 He sendeth out his word, and melteth them: he causeth his wind to blow, and the waters flow. Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano. Mandefa ny teniny izy, dia mampiempo an' ireny, mampifofofofo ny rivony izy, dia mandriaka ny rano. Il envoie sa parole et fait fondre, il souffle son vent, les eaux coulent.
Sal 147:19 He sheweth his word unto Jacob, his statutes and his judgments unto Israel. Milaza ny teniny amin' i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin' Isiraely. Izy no nanambara ny teniny tamin' i Jakoba, sy ny didiny amam-pitsipiny tamin' Israely. Il révèle à Jacob sa parole, ses lois et jugements à Israël;
Sal 147:20 He hath not dealt so with any nation: and as for his judgments, they have not known them. Praise ye the Lord. Tsy nanao toy izany tamin' izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr' ireny. Haleloia. Tsy mba nanao toy izany tamin' ny firenena hafa rehetra izy, ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny. Aleloia! pas un peuple qu' il ait ainsi traité, pas un qui ait connu ses jugements.

<-
->