Entrée tsiambaratelo
Mots élémentaires tsy ; ambara ; telo
Partie du discours nom
Explications en malgache Zavatra afenina tsy tiana ho fantatry ny be sy ny maro ka tsy lazaina afa-tsy amin' ny olona itokiana na sakaiza tiana vitsy foana: Mahatoky ahy ianao ka izany no ilazako aminao ny tsiambarateloko
Zava-miafina tsy fantatra: Manana tsiambaratelo betsaka ny zavaboary
Mitovy hevitra: am-po tsy ambara ~ am-po tsy miloaka ~ an' ny tena samy irery ~ ankaro-miafina ~ otrikafon' ny fo ~ tahirindresaka ~ teny mby am-bato ~ tokantrano tsy ahahaka ~ tsy atao eo imason' olona ~ tsy fampitranga vahoaka ~ zavatra tsy ambarambara [1.1]
Explications en français [ tsy ambara telo ] Qu'on ne dit pas à trois; secret [1.3]
Exemples 
1Mitahiry tsiambaratelo mavesatra ny toerana maro any an' ala. [2.472]
2Misaotra anao aho noho ny nanambaranao izany tsiambaratelo izany! [2.270]
3Noraisiko ho tsiambaratelo ho ahy samirery hatry ny ela, ry Marizy havako. [2.470]

Mis à jour le 2023/05/14