|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  tsy
Sokajin-teny  2  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Entina mandà, ka fametraka: 1) eo alohan' ny teny lazaina (amin' izay asiana no eo alohan' ny enti-milaza): Tsy Rakoto no namaky ny fitaratra ~ Tsy omby no hitanao fa soavaly
4 2) eo alohan' ny enti-milaza: Tsy omby io biby io fa soavaly ~ Tsy handeha aho
5 3) eo alohan' ny teny roa mifanohitra mifanarakaraka avy mba hilazana toetra anelanelany: Tsy kely tsy lehibe itay izy fa salasalany, na hilazana koa ny "rehetra": Tsy antitra tsy tanora fa samy revo amin' ny vola daholo rehefa mety ho olombelona
6 4) eo alohan' ny teny roa mifanarakaraka avy mba hanamafisana tsy fisian-javatra: Tsy kitay tsy vary maina ao antranony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 not [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 ne pas [1.3, 1.8]
9 sans [1.3, 1.9]
10 non [1.3]
11 pas [1.8]
Ohatra  12  tsy sompatra izy (il est sans malice) [1.9]
Haiendriteny 
13  Tsotra :
Kamban-teny rehetra  14  Fikambanana 760 amin' io teny io

Teny iditra (2/4)15  tsy
Sokajin-teny  16  mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  17 sy [Taisaka] [1.78]
Kamban-teny rehetra  18  Fikambanana 2 amin' io teny io

Teny iditra (3/4)19  -tsy
Sokajin-teny  20  endritenin' ny hoe sy
Ohatra  21  Vetsivetsy marain-tsy hariva zaho! [2.606#210]

Teny iditra (4/4)22  tsy
Sokajin-teny  23  anarana
Fanazavàna teny malagasy  24 Karazana vy, antsoina koa hoe "vy mahery", izay anaovana fiasana maro samihafa fandidiana na fandoahana (antsy, hety, hareza, sns...) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  25 acier [1.3, 1.13]
Voambolana  26  Toe-karena: tao vy
Tovy hevitra  27 vy mahery
Kamban-teny rehetra  28  Fikambanana 3 amin' io teny io

Fivaditsoratra  29 tsi~~, tsi~, tsy

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21