|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 sarotra |
| Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
3lafo, sarobidy.
[Bezanozano]
[1.78] 4Tsy mora ny fanaovana azy, manahirana: Asa sarotra ~ Sarotra ny mampiditra io farafara lehibe io amin' ity varavarankely ity. 5Sarotiny, mahihitra, tia tena: Sarotra izy raha hanome. 6Ilazana olona tia hanina loatra, ka tsy mizara na ahazoana potiny kely akory: Nafenin' ity Rangahy sarotra tao anaty satrony, hono, ny voanjo mahamay mba tsy ho hitan-janany. 7Mampidi-doza: Sarotra ny maniny ny mpitondra. 8Lafo vidy: Sarotra ny vary izao. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
9difficult; selfish, hard to get along with; costly.
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
10difficile.
[1.3, 1.8] 11ardu, périlleux, pénible, dangereux. 12cher, coûteux, ruineux. 13avare, ladre, intéressé, égoïste, sévère, exigeant. [1.3] 14égoïste, difficile à vivre; qui coûte cher. [1.8] |
| Ohatra |
15 sarotra ny mampiditra resaka, hoy Ilaimanga fa hoatry ny haninona ihany.
[2.324]
16 Mbola tsy nahita aho aloha fa sarotra ny mandainga, hoy ny rainy. [2.470] 17 Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao [2.996] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Mpanahaka | 39 hangana, 40 hentona, 41 lafo |
| Kamban-teny rehetra | 42Fikambanana 49 amin' io teny io |
| Ohabolana | 43 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 44 sarotra, 45 Soratra, soratra, 46 tsarôra |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 |
|