|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 avona |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Fiheverana ny tena ho ambony ka manao ny sasany ho tsinontsinona: Vonton' ny avony ny anao lahy ka mahatsikaiky indray.
4 Eboebo, tohatoha, dohadoha: Ny avon' ny firinga mievotra. 5 Anjonanjona: Tsy azoko leferina ny avony. 6 Tsy firaharahana ny hafa: Nandray ahy tamin' avona ilay olona nefa tsy norahorahaiko. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7 pride, haughtiness, arrogance. See anjonanjona, eboebo, rehareha. The reduplicated form is most generally used..
[1.2] |
| Ohatra |
8 Nony efa niala, Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona.
[1.230#]
9 nefa raha hanao fitia mifono avona ianao, aleo misaraka; [2.313#] 10 Rentsika teo ny teniny nampitondrainy an-dRasalimo zanany vavy, feno avona sy fihantsiana. [2.528#] 11 Aza malahelo, hono, rahavako, fa raha mibarera elatra toa hipetraka, hono, izy, tsy fitia fa avona; [1.301#] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Voambolana | 18 Ontam-po |
| Tovy hevitra | 19 anjonanjona, avonavona, dohadoha, eboebo, rehareha, tohatoha |
| Kamban-teny rehetra | 20 Fikambanana 5 amin' io teny io |
| Ohabolana | 21 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/3) | 22 avona |
| Sokajin-teny | 23 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
24 Akalam-bay, votoatiny.
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
25 the core of boils. (Prov.) See akalana..
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
26 bourbillon des furoncles..
[Tankarana]
[1.19] |
| Voambolana | 27 Fahasalamana |
| Teny iditra (3/3) | 28 avona |
| Fototeny | 29 vona |
| Sokajin-teny | 30 matoantenin' ny iharana |
| Fanazavàna teny malagasy |
31 Asiana vòna: Avonao isaky ny iray metatra io tady io.
[1.1] |
| Haiendriteny |
|
| Fivaditsoratra | 36 avona, 37 ovana, ôvana, 38 vaoña, vaona, 39 voana |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10 |
|