Entrée Angolangolan' ny Tanora
Mots élémentaires angolangola ; tanora
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Rajaonarivelo Auguste
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres
Texte Eny iky, ry rano manamika ery an-tsefatsefa-bato, ry lomotra maka toerana ery an-doharano! Mba nikasa higoka, hono, aho, ka nangaina; nanantena handraoka ka nanjahatra. Hay, iny no rivotra an-kadilanana, andraofan-tsy ahazoana, avela mitambolina ihany! Hanky iny no embok' akondron' Isoamanidoka, andrasan-tsy latsaka, afoy toa hena. Ka raha hikopa-damba dia ho roso moa iny ka haninona, fa ity izy misarisary zoro toa himpody, toa hiverina, no tsy zakako. Mbola tia ka iavonana.

saikiny

Hay ianareo ombimanga noana tojon' ny antsoron' Andraopasika, mody mianjona kanjo liana! Tsiriry reraka sendra kamory, mody tofoka kanjo tia! Aza malahelo, hono, rahavako, fa raha mibarera elatra toa hipetraka, hono, izy, tsy fitia fa avona; na misary zoro toa hijanona, hono, izy, tsy angola fa latsa!


Mis à jour le 2023/11/22