|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  angano
Fototeny  2 angana
Sokajin-teny  3  filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana anganina [Fitanisana]

Teny iditra (2/4)4  angano
Fototeny  5 gana
Sokajin-teny  6  filaza mandidin' ny matoantenin' ny famenony anganana [Fitanisana]

Teny iditra (3/4)7  angano
Sokajin-teny  8  anarana
Fanazavàna teny malagasy  9 Tantara ifandovana an-dovantsofina mampiseho zavatra toa tsy azo inoana, izay angamba marina ihany tany an-tendrony, saingy novaovan' ny taranaka nifandimby taty aoriana: Ny anganon' Ikotofetsy sy Imahakà.
10 Zavatra sarotra inoana: Aza milaza angano eo re ianao, ry Ingahy itỳ.
11 Karazan-javatra hafahafa atao fanampin-kanina, fanampin' akanjo (amin' ity hevitra ity, dia mazàna ny endrika verindroa no fampiasa): Tonga tao daholo izao anganonganon-kanina rehetra izao.. [1.1]
12 tantara tsy nisy nefa namboarina ho toy ny nisy ary natao hanatsoahana fananarana. [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  13 a fable. [1.2, 1.7]
14 a tale, a story. [Swa. ngano, a tale, a fable; Ar. algina, pl. algani, a song, a ditty.]. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  15 conte. [1.3#44, 1.8, 1.54, 1.13]
16 fable. [1.3#44, 1.8]
17 farce, historiette. [1.3#44]
18 enjolivements, superfétation. [1.3#44]
19 chose extraordinaire: Anganon-kanina izany! (Quelle variété extraordinaire de mets!). [1.3#44]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  30  Haisoratra: (amin' ny ankapobeny)
Mpanahaka  31  anjabobo, 32  anoano, 33  arira, 34  fasitara, 35  habobo, 36  haga, 37  karijo, 38  tantaravalamaty, 39  taria
Kamban-teny rehetra  40  Fikambanana 3 amin' io teny io
Ohabolana  41  Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  42  Soratra misy io teny io
Lahatsoratra  43 Randzavola: angano ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (4/4)44  angano
Sokajin-teny  45  anarana
Fanazavàna teny malagasy  46 fanafintohinana. [Betsimisaraka] [1.78]
47 Loza, fahafatesan-kavana: Nahita angano itỳ isika mianakavy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  48 calamity. [1.2, 1.7]
49 trouble. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  50 malheur. [1.3#44, 1.8]
51 calamité. [1.8]
Kamban-teny rehetra  52  Fikambanana 2 amin' io teny io

Fivaditsoratra  53 angano, 54 angona, 55 gonana, 56 ngoana, 57 ongana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09