|
|
|
|

Teny iditra1  akanjo
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Anarana itambaran' ny fitafiana voazaitra entina hanafy ny vatana, mba ho takon-kenatra aloha voalohany indrindra sy hiaro amin' ny hatsiaka, ary tatỳ aoriana mba ho endri-javatra mahafinaritra koa: Nentiny nanaovana maso vao tamin' ny Krismasy ilay akanjony vao nozairina. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a coat, outer garment, dress. [Swa. ka'nza, or Fr. canezon.]. [1.2]
5 clothing; a dress; a shirt. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 nom générique des habits, de l'habillement, du costume. [1.3#14]
7 vêtement ; une robe, une chemise. [1.8]
8 habit, vêtement. [Vezo] [1.68]
Ohatra  9  Ny akanjo mafana mbola tsy nananana. [2.356#]
10  Veloma ry akanjo, veloma ry baolina! [2.117#]
11  Manjaitra akanjo hanaovako amin'ny fety íneny. [2.332#]
Haiendriteny 
12  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  35  Toe-karena: zaitra
Kamban-teny rehetra  36  Fikambanana 75 amin' io teny io
Ohabolana  37  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  38 akanjo, 39 onjaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09