|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  velona
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Haiendriteny 
3  Tsotra :
4  Tovonana :
5  Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  28 Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko ~ Mbola velona any ihany va re izay Rabe e!
29 Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa velona ve ilay fiarakodianao?
30 Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy ~ Velona ny amponga ~ Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy
31 Mirehitra (amin' ny hevitra ara-bakiteny sy an' ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro vary ianao ~ Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany
32 Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany ~ Mbola velona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana"
33 Manomboka: Naka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka
34 Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  35 living, alive [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  36 vivant [1.8]
37 tout ce qui est vivant, aussi bien les plantes que les animaux et les humains [1.196]
Ohatra  38  fa raha velona ny aina tsy maintsy mihaona [2.131]
39  Mbola velona ihany hianao Razay! [2.324]
40  Filazana toetr'olom-belona hiany izany. [2.59#77]
41  Raha velona moa aho, iza no mba hovantaniko? [2.471#19]
42  tsy anisan' ny velona intsony ny zokiko. [2.472#252]
Fikambanana  43  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 103 misy ny teny how velona
Ohabolana  44  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3) 45  velona
Sokajin-teny  46  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  47 Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e! [1.1]

Teny iditra (3/3) 48  velona
Sokajin-teny  49  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  50 [Bezanozano] be voninahitra [1.78]

Fivaditsoratra  51 levona, velona, 52 volena

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21