|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  re
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Heno: Renao ve izany vorona mihira izany?.
4 Fantatra: Efa renao ny nialan-dRakoto..
5 Tsapan' ny fandrenesana, toy ny fanamboloana: Tsy reko izany fofona ao izany fa voan' ny sery aho; ny fandrenesana tsiron-kanina: Tsy reny akory ny hamamin' ny siramamy; ny fikasihana: Reko ny tsongo ataony ahy..
6 Tsaroana: Reko tsara loatra izany fahoriako. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 heard; perceived by the senses, as pain or smell. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 entendu. [1.3, 1.8]
9 appris, senti, perçu par les sens du goût, de l'odorat, du toucher. [1.3]
10 perçu par le sens du toucher, l'odorat, du goûter. [1.8]
Ohatra  11  Ho ren'olo ka ho maty aho. [2.606]
12  Avereno kely hoe ho reko tsara. [2.895]
13  Tsy nisy hitany na reny nanatona anefa [2.472]
14  reny tsara ny fiakatry ny fofon-jezika ary maharikoriko azy [2.470]
15  Taitra dia taitra izy, fa avy any ambony ilay zavatra reny, ka fantany fa tsy izy mianaka avy naka orana tary an-dohasaha ambany [2.324]
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Tovy hevitra  37 reny
Kamban-teny rehetra  38  Fikambanana 7 amin' io teny io
Ohabolana  39  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/5)40  re
Sokajin-teny  41  kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  42 Kianteny kely fanao amin' ny fehezanteny manontany raha manontany tena ilay miteny: Inona re no hataoko e; handeha sa hijanona?; ary amin' ny fehezanteny tsotra kosa raha mangataka mitalaho: Mifona re, tompoko, fa tsy hanao intsony aho. [1.1]
Ohatra  43  Nahoana re no anton'izany? [2.324]
44  Aoka re, anaka. [2.470]
Kamban-teny rehetra  45  Fikambanana 3 amin' io teny io

Teny iditra (3/5)46  ~re~
Sokajin-teny  47  tsofoka [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  48 infixe qui sert à former le pluriel des pronoms-adjectifs démonstratifs: io -> ireo. [1.12]

Teny iditra (4/5)49  re    
Sokajin-teny  50  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  51 Ny feo faharoa manarakaraka ny do amin' ny ambaratongam-peo fito amin' ny gama. [1.1]
Voambolana  52  Feon-kira: (amin' ny ankapobeny)
Mpanahaka  53  do, 54  fa, 55  la, 56  mi, 57  si, 58  sol
Sary 

Teny iditra (5/5)59  Re    
Sokajin-teny  60  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  61 Singa mivaingana, faha-75 amin'ny fisokajiana miherina.. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  62 Rhenium.. [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  63 Rhénium.. [3.1]
Voambolana  64  Simia
Tsanganana sy sary iray takila  65  Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09