|
|
|
|

Teny iditra 1  mandre
Fototeny  2 re
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mahalala fisiana feon-javatra iray amin' ny alalan' ny sofina: Tsy mandre na inona na inona ny sofiko fadonton' ny kininina
9 Mahafantatra: Vao izao aho no nandre fa narary ny zanakao
10 Mahatsiaro: Tsy mandre maharary rehefa mitsindrona amin' itỳ fanafody
11 Teny mifandray hevitra (Mihaino): mitaino, manongilan-tsofina, mampandry sofina, mihaino vilana, mitaino ilany, tailam-pandrenesana
12 Teny mifandray hevitra (Tsy mihaino): manentsin-tadiny, mamono sofina, manary sioka, manao henoy izany ry hazon-damosiko!, mafy sofina, mafy tadiny, lalodalovana, donto sofina, domelina, karenina, marenina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to hear; to perceive by hearing, touch, taste or smell [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 entendre, apprendre, sentir [1.3]
15 entendre; apprendre; sentir par le toucher, le goût, ou l'odorat [1.8]
Ohatra  16  Tsy mandre mihitsy anie aho e! [2.117#]
17  Tsy mandre ny ketsoketso-borona anie! [2.69#]
18  Faly aho raha mandre izany teninareo izany. [2.298#]
Voambolana  19  Haiaina
Tovy hevitra  20 mahare
Fikambanana  21  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny how mandre
Ohabolana  22  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22