|
|
|
|

Teny iditra1  mangataka
Fototeny  2 hataka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Miangavy hanome: Nangataka vola tamiko izy nefa tsy nomeko fa asa no nomeko azy.
5 Miangavy hanao, mitalaho, mihanta: Mangataka anao aho mba hanasitrana an' Ineny.
6 Mifona ho an' olona: Ianao izao no mba hangataka ho anay madinika any amin' ny lehibe.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 to beg. [1.2, 1.7]
8 to ask. [1.2]
9 to ask for something. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 demander; mendier. [1.8]
Ohatra  11  Kibo noana tsy mangataka andro. [2.558]
12  Koa mangataka olona aminao aho. [2.508]
13  Moa mety sa tsy mety ny mangataka amin' ny Razana? [2.314]
Haiendriteny 
14  Ny ankehitriny :
15  Ny lasa :
16  Ny hoavy :
17  Filaza mandidy :
Mpanahaka  18  manantyantanandroa, 19  manaohatamaso, 20  manaohatakadala, 21  manaohatapiso, 22  miambezo, 23  miangavy, 24  miangola, 25  miangoty, 26  mierina, 27  mifendrofendro, 28  mihanta, 29  mikonetaka, 30  milelapaladia, 31  mitalaho, 32  mitambitamby, 33  mitampesona, 34  mitofendro, 35  mitomanyambonyfe, 36  mitosy, 37  mivavaka
Kamban-teny rehetra  38  Fikambanana 15 amin' io teny io
Ohabolana  39  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09