|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1 leo
Sokajin-teny  2 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Enti-milaza olona tsy tia zavatra iray, izay nihinanany betsaka loatra ka nahatonga azy tsy te hiherika azy intsony: Leom-boanjo aho izany
Mamo: Leon-drongony ny anao lahy ka miteniteny foana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 has had enough and too much; disgusted
drunk [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 qui en a assez; dégoûté [1.3#4011.8]
6 ivre [1.3#4011.8]
7 indisposé par un narcotique [1.3#4011.8]
8 qui n'en veut plus
assoupi, étourdi [1.3#401]
Haiendriteny 
9 Ny ankehitriny :
10 Ny lasa :
11 Ny hoavy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Tovy hevitra  14leony
Mpanahaka  15 afapo, 16 boboka, 17 boboka, 18 disaka, 19 lamoka, 20 lao, 21 leomboananana, 22 lotika, 23 malikiliky, 24 malilo, 25 mamo, 26 monaina, 27 monamonaina, 28 tala, 29 tofoka, 30 tofoka, 31 tohina, 32 tola, 33 tsytiahiherika, 34 tsytiamainty, 35 tsytiamololo, 36 tsytiaveroka, 37 tsytiavovoka, 38 tsytiazavaboribory
Kamban-teny rehetra  39Fikambanana 5 amin' io teny io
Ohabolana  40 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/4)41 leo
Sokajin-teny  42 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  43 (matetika tsy fampiasa raha tsy miaraka amin' ny "tsy") Tanty, zaka, azo zakaina, azo leferina: Tsy leoko ny ataonao ka handeha aho
Azo toherina, resy: Tsy leon' ny vato ny riaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  44 equalled, matched, overcome [1.2]
45 borne, sustained [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay  46 supportable, à quoi on peut résister, qu'on peut surmonter ou vaincre:
Tsy leoko ny ataonareo (Je ne puis supporter ce que vous faites) ~ Tsy leoko ny herin' ny hainandro (Je ne puis supporter la violence du soleil) [1.3#401]
47 supporté [1.8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  51Fikambanana 7 amin' io teny io

Teny iditra (3/4)52 leo
Sokajin-teny  53 anarana
Fanazavàna teny malagasy  54 laona [Bara, Tanosy] [1.78]

Teny iditra (4/4)55 leo
Sokajin-teny  56 tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  57 to-day [Provincial] [1.2#390]
Voambolana  58 Fotoana

Fivaditsoratra  59 elo, 60 leo, 61 ole

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02