|
|
|
|

Teny iditra (1/12)1  laza
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Fanambarana, fampisehoana ary fampielezana am-bava na an-taratasy.
4 Fahatantarana manehoeho ananan'ny olona momba ny tena: Nahabe laza azy ny fanaovany ny marina teo amin'ny fifidianana .
5 Fiheverana, na tsara na ratsy, ananan'ny olona momba ny tena na zavatra iray: Ratsy laza izy hatramin'ny hala-bato nampanaoviny ~ Tsara laza amin'ny tany ama-monina izy . [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 fame, honour, glory. [1.2#384, 1.7#38]
7 a report. [1.7#38]
Fanazavàna teny frantsay  8 action de dire. [1.3#394, 1.5#188]
9 action d'annoncer, de publier. [1.3#394]
10 renommée: Nahabe laza azy ny nataony (Ce qu'il a fait lui a fait acquérir une grande renommée). [1.3#394, 1.8, 1.6]
11 réputation: Tsara laza izy (Il a bonne réputation) ~ Hanimba ny lazany izany (Cela nuirait à sa réputation). [1.3#394, 1.13, 1.6]
12 glorification, louange. [1.3#394]
13 un rapport. [1.8]
14 célébrité. [1.13, 1.5, 1.6]
15 renom. [1.13]
Ohatra  16  Nitombo laza hafahafa izany i Feno tao an-tanàna [2.472]
17  hampandroso mandrakariva ny voninahitrao aman-dazanao [2.650]
Haiendriteny 
18  Tsotra :
19  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  51  Fikambanana 33 amin' io teny io
Ohabolana  52  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/12)53  laza
Sokajin-teny  54  anarana
Fanazavàna teny malagasy  55 famaky kely fitondra mandeha. [Sakalava] [1.1]
Voambolana  56  Fitaovam-piasana

Teny iditra (3/12)57  laza
Sokajin-teny  58  anarana
Fanazavàna teny malagasy  59 lanonambe makotrokotroka, manehoeho. [Betsileo, Betsimisaraka] [1.10]
Fanazavàna teny frantsay  60 fêtes à l'occasion de la circoncision. [Tankarana] [1.19]

Teny iditra (4/12)61  laza
Sokajin-teny  62  anarana
Fanazavàna teny malagasy  63 zavamaniry atao hoe fanto ny hodiny ary fanao lamba tahaka ny hafotra. Alaina ny hodiny dia kapohina tsara, asiana menaka hahamandomando azy, dia kapohina indray mandra-pahalemin' ny tsiratsirany, dia diovina; izay vao itohitohy ho azo tenomina; anaovana sikina sy salaka. Any amin' ny faritanin' Ikongo (Tanala atsimo) no be azy. [1.10]
Fanazavàna teny anglisy  64 a plant whose bark is used to make the lamba called fanto. The root supplies a medicine. [Tanala] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  65 (de laza : dans le sens d'exceptionnel, réservé aux jours de fête). Nom d'une écorce qu'on battait au maillet, comme le fanto, mais qui donnait un produit beaucoup plus fin. D'après A. Grandidier, on attribue aussi à la racine de cet arbuste des vertus médicinales (fichier manuscrit de A. Grandidier donné par son fils, G. Grandidier à R. Decary, puis au Muséum de Paris, Laboratoire de Phanérogamie, par Madame Decary). [Tanala] [1.196#II.299]
Voambolana  66  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody

Teny iditra (5/12)67  laza
Singan-teny  68 laza
Sokajin-teny  69  anarana
Fanazavàna teny malagasy  70 (Cissus laza ) zavamaniry hita any amin' ny faritany atsimo (Toleara), indrindra fa any Androy. Mahatratra 4 metatra ny haavony. Hafahafa ny bikany: mivelatra be ny vatany eo am-potony manakaiky ny tany, mety mahatratra 2 metatra ny velarany, dia mihakely arakaraka ny isondrotany avo, dia mandeha amin' izay ny rantsany iray lehibe tohin' ny vatany ary dia mandady mihodidina amin' izay hazo hafa eo akaikiny toy ny fanaon'ny vahy io. Malemilemy ny atin' ny vatany; mitahiry rano be io -- rano nofohiny tao anatin' ny fahavaratra fohy; io no ivelomany mandritra ny volana maro main-tany kely orana. Eo amin' ny toerana maina, be akorovato no faniriany. Vakivaky ny hodiny sady malemy koa. Mandravina izy amin' ny fahavaratra ary vonivony ny fanjany. Misy voany lehibe maintimainty; tian' ny olona any tokoa izany na dia somary manaiki-dela sy lanilany aza. Tsy dia maro loatra izy fa mahalankalana ihany, eny anaty akorovato eny. Voaloboka-dia (vigne sauvage) no anarana ilazan'ny Vazaha azy.. [1.10]
Fanazavàna teny anglisy  71 A tree with edible fruit. [1.2]
Voambolana  72  Haizavamaniry: hazo
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (6/12)73  laza
Sokajin-teny  74  anarana
Fanazavàna teny frantsay  75 arbre, Ficus reflexa Thumb. (ex F. pyrifolia Lamk. var. occidentalis), famille des Moracées. Souvent planté à l'est des "grandes maisons"; il assure la prospérité, la renommée du village. Remède contre la fatigue, et contre la toux. Plante du destin astrologique Adalo. Remède si on tombe malade sous le destin Alizady. Entre dans des charmes protégeant de la sorcellerie. Utilisé dans des charmes enterrés qui assurent la croissance du troupeau de zébus.. [Tanala, Sakalava, Mahafaly] [1.6]
76 ficus planté parfois à l'est du tranobe. [2.430]
Voambolana  77  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody 78  Finoana
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (7/12)79  laza
Sokajin-teny  80  anarana
Fanazavàna teny malagasy  81 (Ocotea) zavamaniry amin' ny antokon' ny laurinées; betsaka ao amin' ny faritany avaratra. Manitra kanelina ny hazony. [1.10]
Voambolana  82  Haizavamaniry: ahitra
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (8/12)83  laza
Sokajin-teny  84  anarana
Fanazavàna teny frantsay  85 Variété de liane (Vitacée, Cyphostemma laza Descoings). [Vezo] [1.68]
Voambolana  86  Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (9/12)87  laza
Sokajin-teny  88  anarana
Fanazavàna teny frantsay  89 (de laza dans le sens de fameux, qui a une grande renommée). Les Sakalava donnent ce nom à un arbre. L'arbre est Commiphora guillauminii H.Perrier (Burseraceae). Il est effectivement célèbre parce que c'est sa gomme-résine qu'utilisent les ombiasy (spécialistes du traitement par les plantes) pour préparer des bains de vapeurs afin de mettre en condition le malade et son entourage avant de commencer les soins proprement dits. Cette gomme-résine a des vertus désinfectantes et pectorales.. [Sakalava] [1.196#II.299]
Voambolana  90  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (10/12)91  laza
Sokajin-teny  92  anarana
Fanazavàna teny frantsay  93 (de laza dans le sens de fameux, qui a une grande renommée). Les Sakalava donnent ce nom à une curieuse liane présentant à la base un énorme tubercule épigé, Adenia firingalavensis (Drake ex Jum.) Harms (Passifloraceae), elle est célèbre pour d'autres raisons. Renfermant à la fois des alcaloïdes et des substances cyanogènes, elle est extrêmement toxique. Seuls les ombiasy les plus réputés se hasardent à son emploi et encore, le plus souvent par voie externe.. [Sakalava] [1.196#II.299]
Voambolana  94  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (11/12)95  Laza
Singan-teny  96 laza
Sokajin-teny  97  anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  98 fanampin' anarana malagasy. [3.1]
Ohatra  99  Voalohany, anisan'ireo nasaina mantsy i Laza Razanajatovo, mpanatontosa horonantsary ary fantatra amin'ny fikarakarana ny "Rencontres du Film Court" [4.45]
100  Ao amin' i Fermilab no anomanan' i Laza Rakondravohitra ny doctorat en physique mandritra ny telo taona ho avy [4.44]

Teny iditra (12/12)101  laza    
Sokajin-teny  102  anarana
Voambolana  103  Haizavamaniry: karazana ara-tsiansa
Anaram-javamaniry ara-paritra 
Cissus laza  104 laza
Cyphostemma laza  105 laza, 106 mangeboky

Fivaditsoratra  107 laza, Laza, 108 zala

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09