|
|
|
|

Teny iditra1  bitika
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Kely sady madinika, sombiny kely: Tsy ho azonao entina any lavitra any io zaza io fa mbola bitika / Bitika kely ny vary nohanin' ny marary anikeheo.
4 Kely sy bitika: enti-milaza am-panetren-tena ny toetran' ny tena ambany sy mahantra: Misaotra, tompokolahy minisitra, mamangy anay kely sy bitika atỳ anaty ala atỳ
5 (Marihina fa milaza mbola kely kokoa noho ny bitika ireo rehetra avy amin' ny bitika nasiana tsofoka: bilitika, biritika...) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 diminutive, extremely small, a jot, a morsel, an atom. [1.2]
7 diminutive, tiny; cf. kitika [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 très petit [1.3, 1.8]
9 une quantité infime, chétif [1.3]
Ohatra  10  Lay ony kanefa he'ty fiandohany / Mba kely ny bitika saro-jahana. [1.267]
11  Natao mafana tsara ilay bitika an-tanana noho ny toetr' andro miovaova. [2.470]
12  Ka inona anefa no mety ho vitanay kely sy bitika ity amin' izany? [2.285]
Haiendriteny 
13  Tsotra :
14  Filaza mandidy :
Sampanteny 
Mpamaritra :
Tovy hevitra  20 bititika
Kamban-teny rehetra  21  Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  22  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  23 bitaky, bitika, 24 kabity, 25 tibaky

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09