Entrée Ilay ony
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Rafanoharana
Texte 
Variana ny masoko, gaga ny saiko,
Mahita'ty ony mandalo tanàna:
Milamim-pisosa toa efa voabaiko,
Manatona ihany an'ilay fiafarana.
Ny onja madinika, indreny misangy,
Toa ondry aman'osy mifalihavanja;
Ny roatra tsy rototra, toa mampitamby
Mirona malako fa mana-mpilanja.

Ilaozako anefa'lay toerako teo,
'Ty ony malaza arahiko an-kiry:
Injany any erà ô! henoko feo,
Dia feo mahatahotra, feo makadiry!
Tsy ela dia hitako eo anoloako.
'Ty riana mianjera tsy roa aman-tany;
Ny rano mifafy hatreo am-pijoroako,
mamorona avana kanto aoka izany!

Miorika ihany hatrany hatrany,
Tsy miato ny diako manaraka ny ony
Satria te-hahita izay fiandohany,
'Zay hoe hainandro tsy tsapako intsony,
Dia iny'lay ony mihena, mihena,
Mihena miandalana sy mihakely;
Tanety vakiny - endre! raha jerena,
Fa mavana, maitso, toa " sahan'anjely " .

Ny omby aman'ondry darofan'ny andro,
Indreo fa misotro, mimà dia mitraka;
Ny ankizy mpiandry, mafana ka mandro
(Ireo tsy mba sahy mikatroka daka)
Mihena tsy hitan'ny masoko intsony
Fa lasa misitrika anatin'ny ampanga:
Endrey! zary tatatra manko ilay ony,
Dia tatatra kely toa mena-mitranga !

Dia hitako farany'lay loharano
Miboika dia miboika ambanin'ny vato;
Ny vato mivoaka eo manganohano;
Miboika dia lasa, mandeha tsy miato.
Indreny ny vorona, ireo voron'ala,
Misotro, variana, dia miara-mikalo
Miadam-pinaritra, tsy salasala,
Fa lavi-mpanenjika sy fahavalo.

Mandeha ny saiko mihevitra izany:
Nahoana aho re no kivy mazàna?
'Lay ony kanefa he'ty fiandohany
Mba kely ny bitika saro-jahana.
Ry foko, mionona ka aza tomany;
Raha toa mavomavo tsy fantatra akory,
lanaro ny ony, mitombo hatrany;
Ho resy miandalana ny andro mahory!
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Mis à jour le 2023/04/02