|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  antso
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin' ny tena; famoriana olona hanatrika na ho tonga; fanirahana hitaona olona ho avy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a call, a summons. [1.2, 1.7]
5 an invocation. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  6 appel, convocation. [1.3#57, 1.8]
7 publication, proclamation, invocation. [1.3#57]
Ohatra  8  hoy ny antso avo afitsony. [2.503]
9  Heno ny antso, ny baiko mifanaretsaka etsy sy eroa. [2.472]
10  Miseho ao koa ny antso nataon-dravehivavy sy ny valin-tenin' ila. [1.38]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  24  Fikambanana 8 amin' io teny io

Teny iditra (2/4)25  antso
Singan-teny  26 antso
Sokajin-teny  27  anarana
Fanazavàna teny frantsay  28 (de antso : action d'invoquer une puissance occulte ; cette plante toxique était employée dans les cérémonies d'exorcismes). Euphorbia antso Denis (Euphorbiaceae). Toxique dans toutes ses parties. Latex très irritant, caustique.. [Sakalava] [1.196]
Voambolana  29  Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (3/4)30  Antso
Singan-teny  31 antso
Sokajin-teny  32  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  33  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  34 Dox
Lahatsoratra  35  Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
36  hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
37  fa toa any aminao, lay fanalahidy
38  notadiaviko hatrin’ny ela…tsy tadidy
39 
40  Fa taiza ianao… notadiaviko efa ela
41  tao anatin’ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
42  fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
43  velombelombolo aok’izany, tondrak’orana tsy maty
44 
45  Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
46  fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro
47  anjaran-tsika ny ampitso, hihainana anio
48  koa raiso ‘zany foko, ny antsony valio

Teny iditra (4/4)49  Antso
Singan-teny  50 antso
Sokajin-teny  51  anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana]
Voambolana  52  Haisoratra: boky
Mpanoratra  53 Andriamalala Emilson Daniel
Mpanonta printy  54  Ny Nosy vaovao. 1961. Takila: 53.

Fivaditsoratra  55 antso, Antso, 56 ontsa

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10