|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  antoka
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 fiantsoana ho tsaraina [Taimoro] [1.78]
4 Fiantohana, izany hoe fanondroana zavatra ho solon' ny zavatra iray raha toa misy fahaverezany na fahasimbany itỳ faharoa: Tsara antoka ny famantaranandronao fa mandria ivohon' ny vato
5 Zavatra na vola izay tanana raha tsy voaloa ny vola nosamborina: Anto-bolan' olona io trano io ka tsy azonao vidina
6 Andraikitra: Antokao raha tsy vita ara-potoana itỳ trano itỳ
7 Adidy: Antoky ny ray aman-dreny ny fianaran-janany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 pledge [1.2, 1.7]
9 surety, surety-ship, responsibility. See adidy, andraikitra [1.2]
10 a guarantee; insurance [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11 assentiment donné en levant la tête, appel en baissant la tête [1.3]
12 caution, garantie [1.8, 1.13]
13 assurance [1.8]
14 sécurité, gage, hypothèque, aval [1.13]
Ohatra  15  Azony antoka fa tsy hamitaka azy na oviana na oviana ny vadiny. [2.470]
Haiendriteny 
16  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  23  Fikambanana 7 amin' io teny io
Ohabolana  24  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  25 Randzavola: antoka na tsatoka ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/3)26  antoka
Sokajin-teny  27  anarana
Fanazavàna teny anglisy  28 a nod of assent. [1.2]
Haiendriteny 
29  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :

Teny iditra (3/3)32  antoka
Sokajin-teny  33  anarana
Fanazavàna teny malagasy  34 tsatokazo [Tambahoaka] [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  35 same as antoko, a trivet. See toko. [Provincial] [1.2]

Fivaditsoratra  antoka, 36 kantao, 37 katona, 38 kotana, 39 takona, 40 tanako, 41 tokana, 42 tonaka, tonàka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21