|
|
|
|

Teny iditra1  Avaradrano
Singan-teny  2 avaratra, 3 rano
Sokajin-teny  4  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  5 Andriamasinavalona, izay nahavory voalohany an' Imerina, dia nizara azy ho efa-toko. ka Avaradrano no nataony filaharana voalohany (1675-1710). -- Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina dia nitatra ny faritr' Imerina, ka nozarainy enim-toko izy, dia (1) Avaradrano, (2) Vakinisisaony, (3) Marovatana, (4) Ambodirano, (5) Vonizongo, (6) Vakinankaratra. -- Mizara telo indray Avaradrano, dia: (a) Tsimahafotsy, Ambohimanga no renivohiny; (b) Tsimiamboholahy, Ilafy no renivohiny; (d) Mandiavato, Ambohidrabiby no renivohiny. Andranobevava eo atsimon' Analamahitsy, izay rano be mangeniheny tany aloha, no farany atsimo amin' Avaradrano, ka izany no naha-Avaradrano azy.... [1.10#78.450]
Fanazavàna teny frantsay  6 le plus célèbre des six territoires de l'Imerina d'où est sorti celui qui devait porter le nom d'Andrianampoinimerina et dont les trois bourgs principaux furent à cette époque Ambohimanga (Tsimahafotsy), Ilafy (Tsimiamboholahy) et Ambohidrabiby (Mandiavato). Le territoire est situé sur la rive nord de la rivière Andranobevava, d'où le nom qu'on lui a donné.. [1.11]
Ohatra  7  Inona no mahalatsaka an'avaradrano noho Antananarivo? [1.336#]
8  koa raha resiny avaradrano, dia baboiny to'izany koa. [2.59#]
9  Novonoina ireo vehivavy tamin'avaradrano nisehoan'ny kabary. [2.298#]
Fangi-bolantany  Andriamasinavalona, izay nahavory voalohany an' Imerina, dia nizara azy ho efa-toko. ka Avaradrano no nataony filaharana voalohany (1675-1710). -- Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina dia nitatra ny faritr' Imerina, ka nozarainy enim-toko izy, dia (1) Avaradrano, (2) Vakinisisaony
Voambolana  10  Haitoetany: firenena, foko
Mpanahaka  11  ambodirano, 12  ambodirano, 13  imerinaenintoko, 14  imerinaenintoko, 15  marovatana, 16  marovatana, 17  vakinankaratra, 18  vakinankaratra, 19  vakinisisaony, 20  vakinisisaony, 21  vonizongo, 22  vonizongo
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/08