Index

Proverbes : tendrombohitra

Proverbe 1Ny lohasaha tsy ilaozam-pidinana, ny tendrombohitra tsy ilaozam-piakarana. [2.558 #3085]
Ny lohasaha tsy ilaozam-pidinana, tendrombohitra tsy ilaozam-piakarana. [2.165 #2165, 2.415 #3287]
Traduction françaiseDans une vallée il faut qu'il y ait des descentes et dans une montagne des montées. [2.415 #3287, 2.165]

Proverbe 2Tanan' aolo tsy ilaozam-pandrotrarana ; hadivory tsy ilaozan' ambiaty ; teny maro tsy ilaozan' izay ota. [2.415 #4823, 2.165]
Tanàna haolo, tsy ilaozam-pandrotrarana, hadivory tsy ilaozan' ambiaty, teny maro tsy ilaozan-diso. [2.558]
Tendrombohitra tsy ilaozan' ambiaty, tanàna maro tsy ilaozan' adala, kabary be tsy ilaozan-diso. [2.653 #3072, 1.1]
Interprétation malgacheEntina miala tsiny ka ilazana fa amin' ny zavatra maro atao tsy maintsy misy izay tsy metimety, misy kilemany. [1.1]
Traduction françaiseIl y a nécessairement du chiendent dans un village abandonné, et des buissons d' "ambiaty" dans le fossé circulaire, et des fautes dans beaucoup de paroles. [2.165]
Pas de village abandonné sans chiendent ; pas de fossé sans ambiaty ; pas de nombreuses paroles sans fautes. [2.415]

Proverbe 3Tendrombohitra, fandrian’ ny zavona ; lohasaha, fandrian’ ny moka; sakeli-drano, fandrian’ ny mamba; izaho kely, fandrian’ ny saina. [2.653 #3069, 2.974 #331]
Traduction françaiseLa montagne est le lit des brouillards ; la vallée est le lit des moustiques ; le repli du fleuve est le lit des caïmans; et mon humble apparence est le lit de l’intelligence. [2.974 #331]

Proverbe 4Tendrombohitra nisehoan’ ny aloka. [2.415 #826, 2.653 #3070]
Traduction françaiseUn protecteur est semblable à la montagne qui garantit du soleil. [2.415 #826]

Proverbe 5Tendrombohitra sy zavona : mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona. [2.653 #3071, 2.974 #426]
Traduction françaiseMontagne et brouillard : la rencontre semble définitive, la séparation paraît éternelle. [2.974 #426]

Index