Entrée | Andriamatoa | |
Mots élémentaires | andriana ; toa | |
Partie du discours | nom | |
Explications en malgache | Anaram-panajana iantsoana ny lahimatoa ao amin' ny ankohonana: Andeha antsoy kely hankatỳ Andriamatoa, hoy i dada tamin-dRandriamparany Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaran-dehilahy hajaina izay resahina: Tonganamangy anay omaly andriamatoa Rabevokatra. (Tsara homarihina fa mitovy lanja amin' ny Ingahy izy eto saingy ny fampiasana azy tany an-tendrony no samy hafa fa Andriamatoa no natao raha andriandahy ilay olona notenenina ary Ingahy raha hovalahy: Andriamatoa Ramahatra, Ingahy Rainilaiarivony) Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaram-boninahitra entin' ny lehilahy anankiray raha miresaka aminy na miteny azy: Andriamatoa Minisitra, voninahitra ho anay ny mandray anao eto amin' ny tanànanay. Dia naka toerana teo ambony lampihazo Andriamatoa ben' ny tanàna [1.1] | |
Explications en anglais | [matoa, the firstborn.] The name of the eldest male in a family; a title of respect. [1.2] | |
Mister [1.7] | ||
Explications en français | Monsieur [1.8] | |
Vocabulaire | Etiquette | |
Antonymes | Ramatoa | |
Hyponymes | ||
Abréviation | Atoa | |
Analogues | Ingahy | |
Proverbes | Proverbes contenant le mot Andriamatoa | |
Mis à jour le 2023/10/28 |