|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  takalo
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Zavatra mitovy vidy amin' ny zavatra iray ka asolo azy: Ity boky ity ve no takalon' ny bokiko vaovao? Tsy hanaiky izany aho
4 Fanomezana zavatra iray olona, hatao solon-javatra hafa avy aminy, izay ilain' ny tena: Taloha raha mbola tsy nisy ny vola, dia takalo no nifanaovana fa tsy varotra [1.1]
5 endrika ifanakalozana, entana mivantana [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  6 barter, exchange; that which is given in barter [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 échange, troc [1.3, 1.8, 1.13]
8 ce qu'on donne en échange [1.8]
Ohatra  9  Dia samy lasa izy roa lahy, nony vita ny takalo. [2.293]
10  Ireo no reni-vary kosa, ka raha vokatra daholo, tsy misy takalo ny vary [2.48]
11  Tsy resaka varotra na takalo rahateo moa no tena ataoko aminao, fa resaka fitiavan-tanindrazana. [2.472]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  37  Fikambanana 6 amin' io teny io
Ohabolana  38  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3)39  takalo
Sokajin-teny  40  anarana
Fanazavàna teny malagasy  41 Anaran-kazandrano sahala amin' ny bontàna saingy fihinana [Sakalava] [1.1]
Voambolana  42  Haibiby: trondro

Teny iditra (3/3)43  Takalo
Sokajin-teny  44  anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana]
Mpanoratra  45 Vaviroa Marcelline
Mpanonta printy  46  Dodo vole. 2014. Haavony: 22cm. Ambainy: 31cm.

Fivaditsoratra  47 Lakato, lakato, 48 lotaka, takalo, 49 tolaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21