|
|
|
|

Teny iditra1  reraka
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Tsy manan-kery intsony noho ny hanoanana na havizanana: Hateloana izay tsy nanendry honina aho ka reraka / Mafy loatra ny osa' nataony ka reraka izy
4 Marary mafy: Efa reraka izy ka tsy avelan' ny dokotera iresahana intsony
5 Maty: Tsy salama teny izy roa volana dia reraka
6 Lany harena, sahirana izaitsizy: Reraka Rakoto hatramin' izay nahavoazan' ny rivo-doza ny famboleny izay
7 Ketraka, kivy: Be loatra ny fahoriana nianjady taminy ka tsy mahagaga raha rerakaizy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 tired, exhausted [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 Épuisé, affaibli, exténué par la fatigue, la faim, la maladie: Avy any lavitra izy ka reraka (Il vient de loin et il est épuisé de fatigue) ~ Tsy nihinana indroa andro izy ka reraka (Il n’a rien mangé depuis deux jours et il est exténué de faim)
10 qui est gravement malade: Niangonan’ ny havany ny marary, fa reraka (Les parents se sont réunis auprès de lui, parce qu’il est gravement malade)
11 mort: Narary telo volana izy dia reraka (Il est mort après trois mois maladie)
12 trop lâche comme une corde, un habit.
13 qui n’a plus de moyens d’existence, pauvre, ruiné: Reraka izy hatramin’ny nahalaniany ny hareny (Il n’a plus rien depuis qu’il a dépense sa fortune)
14 découragé: Nozoin’ ny loza mafy ka reraka (De grands malheurs sont tombés sur lui et il est découragé) [1.3#527]
15 fatigué, épuisé [1.8]
Ohatra  16  Aza be ahiahy fa rera-doatra anie hianao [2.928]
17  Angaha mety reraka ny tany? [2.117]
18  Handeha izy, nefa tsy ho reraka [2.996]
19  Efa reraka koa moa, ka dia nahita tory teo. [2.4]
20  Farany, nahia kely sy reraka tanteraka izy. [2.472]
21  fa rerak' ity zava-nifandimby nihatra taminy [2.499#87]
22  Ny tenainy moa dia efa reraky ny tazo malagasy rahateo [2.649#181]
Haiendriteny 
23  Ny ankehitriny :
24  Ny lasa :
25  Ny hoavy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  42  Fikambanana 10 amin' io teny io

Fivaditsoratra  43 karera, 44 rarake, reraka

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08