|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  milamina
Fototeny  2 lamina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Milahatra tsara: Mahafinaritra ny mijery izao boky milamina izao.
5 Mirindra, milanto, mandeha tsara: Hatramin' ny nahatongavan' io mpampiasa io, milamina tsara ny raharaha.
6 Voamboatra, voavitrana, voarindra: Efa milamina ny fihavananay.
7 Tsy mikorontana, voakarakara ka amin' ny toerana tokony hisy azy avy ny zavatra: Milamina tsara ianareo izany ~ Izany ka tokantrano milamina.
8 Tsy misy zavatra manembantsembana, misosa tsara: Nilamina tsara ny dianay.
9 mandeha tsara, mizotra milamina, tsy misy vato manoha riana, tsy misy volo manoha randrana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 to be arranged, to be in order. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  11 être arrangé, disposé en ordre, s’arranger; aller, agir à son aise: Milamina tsara ny raharahantsika izao (Notre affaire est maintenant bien arrangée, marche bien) ~ Efa milamina tsara ny fihavananay izao (Nos relations se sont bien arrangées, sont redevenues bien bonnes) ~ Nilamina tsara ny dianay (Nous avons marché bien à notre aise). [1.3]
Ohatra  12  Amin’ny fotoana milamina, ilaina ny fifanakalozan-kevitra. [4.27]
13  Daka milamina, tsy rototra, tsy misy fanontaniana intsony koa. [2.472]
Haiendriteny 
14  Ny ankehitriny :
15  Ny lasa :
16  Ny hoavy :
17  Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Tovy hevitra  19 milanto, mimpirina, miravona, mirindra, misononoka, misosa
Kamban-teny rehetra  20 tsy milamina

Teny iditra (2/2)21  milamìna
Fototeny  22 lamina
Sokajin-teny  23  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao milamina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  24 mamilañy, 25 mamilìna, mamilina, 26 milamìna, milamina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10