|
|
|
|

Teny iditra (1/9)1  lay
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 hazakazaka [Bara, Mahafaly] [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  4 running, rapid motion. See hazakazaka, olomay [Provincial] [1.2#367]
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  7  Fikambanana 2 amin' io teny io

Teny iditra (2/9)8  lay
Sokajin-teny  9  anarana
Fanazavàna teny malagasy  10 Karazan-damba mikitroka ny tenony, lamba fanao irony fialofana fanaovan-dasy; na io fialofana io mihitsy: Kely lambanana loafra ny lay ka tsy nahatakatra ny rindrina avaratra / Nanangana lay tery an-tamponkavoana ny miaramila
11 Lamba makarakara atao aro moka amin' ny fandriana
12 Ny lamba mihantona amin' ny andrin-tsambo izay atosiky ny rivotra ka mampandeha ny sambo atao hoe Sambolay. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 tent cloth; a tent; a sail [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 toile à bâche; tente; voile de bateau [1.8]
Voambolana  15  Fifamoivoizan-tsambo
Kamban-teny rehetra  16  Fikambanana 7 amin' io teny io

Teny iditra (3/9)17  lay
Sokajin-teny  18  anarana
Fanazavàna teny malagasy  19 hakamoana, laina [Taisaka] [1.78]

Teny iditra (4/9)20  lay
Sokajin-teny  21  anarana
Fanazavàna teny malagasy  22 Karazan' ahitra any anaty ranomasina [Sakalava] [1.1]
Voambolana  23  Haizavamaniry
Kamban-teny rehetra  24 manorin-day

Teny iditra (5/9)25  lay
Sokajin-teny  26  anarana
Fanazavàna teny malagasy  27 Tsilotsilo kely madinika dia madinika hita amin' ny zavamaniry maro toy ny vary, voatavo, raiketa, fary... ary na dia amin' ny bibikely sasantsasany koa aza, tahaka ny fanday, landy, sns [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  28 a kind of nettle found on cocoons and on the amiana [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  29 (1) (toute l'île). Nom général des poils des plantes et notamment des poils scabres ou urticants.
30 On dit, par exemple, lain-amiana : les poils urticants de l'amiana (Urera oligoloba Baker).
31 D'où l'adjectif malailay : urticant, qui cause des démangeaisons et le substantif : lailay : prurit, démangeaisons [1.196]
32 Nom d'un arbuste très velu, à poils provoquant des démangeaisons, commun dans la région sèche de l'Androy. [Tandroy]
33 Plante médicinale indéterminée de Tuléar (d'après le fichier manuscrit de Grandidier). [Mahafaly]
34 Les deux désignent peut être une même plante ? [1.196]
Sampanteny 
Anarana :
Voambolana  37  Haizavamaniry: amin' ny ankapobeny
Kamban-teny rehetra  38  Fikambanana 3 amin' io teny io

Teny iditra (6/9)39  lay
Sokajin-teny  40  anarana
Fanazavàna teny malagasy  41 Hena alaina trosa, izay efa voafetra ny fotoana handoavana ny vidiny. [1.1]
Sampanteny 
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :

Teny iditra (7/9)47  lay
Sokajin-teny  48  anarana
Fanazavàna teny malagasy  49 lolo manidina [Taisaka] [1.78]
50 lolo (bibikely) [Bara] [1.78]
51 bibidandy [Tanosy] [1.78]
Voambolana  52  Haibiby: tsy manan-kazon-damosina

Teny iditra (8/9)53  'lay
Sokajin-teny  54  mpisolo anarana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  55 Jereo ilay [1.1]
Kamban-teny rehetra  56 izy lay
Tsanganana sy sary iray takila  57  Ny mpisolo rehetra

Teny iditra (9/9)58  lay    
Sokajin-teny  59  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny anglisy  60 manatody: to lay eggs [1.2#367, 1.7]
61 mametraka: to set, to place, to lay down [1.7]
62 mandatsaka: to cast down; to put down, to lay in place [1.7]

Fivaditsoratra  63 aly, 64 ila, lay, 'lay, 65 lia, Lià

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/21