Entrée fisoronana (sorona)
Partie du discours nom
Explications en malgache Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany: Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin' ny fisoronam-bady ao an-trano [1.1]

Entrée fisoronana (sorona)
Partie du discours nom
Explications en malgache Fikarakarana ny firehetan' ny afo amin' ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon' ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon' Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy izy, nefa ny aoriana asesika ihany [1.1]
Explications en français L'action d'attiser le feu, l'instrument [1.3]
Exemples Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tananasy rotsa-kazo. [2.470]

Entrée fisoronana (sorona)
Partie du discours nom
Explications en malgache  [Tambahoaka] [ fisoroñana ] Fivavahana, fanoloran-tsorona (toerana) [1.78]
 Fanaovana sorona:Fisoronana zanak'ondry no natao tamin'ny fetin'ny Paka tamin'ny Testamenta taloha. [1.1]
Explications en français L'action d'offrir un sacrifice, l'autel, l'instrument, le lieu, le motif [1.3]
Exemples 
1Dia ho azy ireo, amin' ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; [2.996]
2Ny fombam-pivavahana sy ny fisoronana no ankalazainy indrindra [1.38]
Articles 

Entrée fisoroñana
Partie du discours nom
Explications en malgache  [Tambahoaka] Tsangambaton-tsampy [1.78]

Entrée Fisoronana (sorona)
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache (fanafohezana Fisor) na hoe Levitika = Izany no iantsoana azy, satria izy no mirakitra ny Lalàna mifehy ny fomban-pivavahana sy ny andraikitry ny mpisorona ary ny Levita [2.611]
Synonymes Levitika ~ Levitikosy
Articles 
Texte complet Bibles parallèles

Mis à jour le 2022/07/30