|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  farany
Sokajin-teny  2  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  3 finally. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  4 enfin, en un mot. [1.3]
Ohatra  5  Farany dia tonga ry zareo. [2.356]
Kamban-teny rehetra  6 mitsapa ny ho farany

Teny iditra (2/3)7  farany
Sokajin-teny  8  anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  9 Aoriana indrindra amin' ny laharana, amin' ny fanadinana na fifaninanana: Ny Desambra no volana farany amin' ny taona ~ I Naivo no farany tamin' ny fanadinana tao. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 The end, the last, the conclusion, the extremity, the close.. [1.2]
11 the end, a limit. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 la fin d'une chose, le bout, la termisaison.
13 dernier. [1.3]
Ohatra  14  ho tsara farany hianareo! [2.48]
15  Tsinjony fa efa akaiky ny farany. [2.499]
16  Betatao, farany Merina amoron' ala; [2.48]
Mpanahaka  17  farana
Kamban-teny rehetra  18  Fikambanana 4 amin' io teny io

Teny iditra (3/3)19  Farany
Singan-teny  20 farany
Sokajin-teny  21  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  22  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  23 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo  24  Gina aho, eny tankina fa tsy nino hatramin'ny farany...
25  Mbola nihevitra ny hahazo hiady amin'ny fahafatesana!
26  Indrisy! tafahoatra ny heriko ny hangidin'ny fiharany ;
27  Eny! hankaiza aho anefa? Lahatra tsy ifandrefesana!

28  Tapitra fitepo hatreo ny fonao tia, rahavako...
29  Vata-mangatsiaka indrisy! sisa fihiniko eto an-tratra;
30  Eny! iky izany ianao ka ho afoin'ny fitiavako!
31  Ho banga anao ny fiainako, ô famoizana mahantra!

32  Mamaivay ny ranomaso : fahoria-mamelively...
33  Torovana sy fanina aho misaina ireo kamboty kely
34  Sy ny akany ho foana anao, tsy hahita anao intsony! ! !

35  Tsy foiko ianao hisaraka amiko, ry malala mamanara...
36  Nefa ho aiza aho fa resy anatrehan'ny Anjara!
37  Raiko ô, mangidy izao! Ny alaheloko onony!

Fivaditsoratra  38 fanary, 39 fanira, 40 Farany, farany, 41 farina, 42 finara, 43 firana, firaña, 44 rafina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09