|
|
|
|

Teny iditra1  Andriamatoa
Singan-teny  2 andriana, 3 toa
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  5 Anaram-panajana iantsoana ny lahimatoa ao amin' ny ankohonana: Andeha antsoy kely hankatỳ Andriamatoa, hoy i dada tamin-dRandriamparany
6 Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaran-dehilahy hajaina izay resahina: Tonganamangy anay omaly andriamatoa Rabevokatra. (Tsara homarihina fa mitovy lanja amin' ny Ingahy izy eto saingy ny fampiasana azy tany an-tendrony no samy hafa fa Andriamatoa no natao raha andriandahy ilay olona notenenina ary Ingahy raha hovalahy: Andriamatoa Ramahatra, Ingahy Rainilaiarivony)
7 Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaram-boninahitra entin' ny lehilahy anankiray raha miresaka aminy na miteny azy: Andriamatoa Minisitra, voninahitra ho anay ny mandray anao eto amin' ny tanànanay. Dia naka toerana teo ambony lampihazo Andriamatoa ben' ny tanàna [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 [matoa, the firstborn.] The name of the eldest male in a family; a title of respect. [1.2]
9 Mister [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 Monsieur [1.8]
Voambolana  11  Teny fanajana
Tohi-kevitra  12 Ramatoa
Mpanahaka  13  atoa, 14  atoa, 15  ingahy, 16  ingahy
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02