|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  loza
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Zavatra mampahita fahavoazana lehibe, toy ny fahafatesana, faharavam-pananana, sns...: Saika nahita loza Rabe tamin' ny diany farany tao.
4 Zavatra miterapahavoazana lehibe ho an' olon-tokana na maro: Tsy misy loza mihoatra noho ny adim-pirenena. [1.1]
5 voina mihatra tsy ampoizina. [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  6 calamity, danger. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 calamité, danger. [1.8]
8 accident. [1.13]
Ohatra  9  loza loatra re io vola io! [2.499]
10  Ny olona aza no tena loza. [2.472]
Haiendriteny 
11  Tsotra :
12  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Mpanahaka  24  anganolatsaka, 25  angano, 26  antambo, 27  fahonana, 28  faisana, 29  fohehatra, 30  idiranangano, 31  idirandoza, 32  iharandoza, 33  mahatsiravina, 34  mahitaangano, 35  mamoatsampona, 36  mamohehatra, 37  mampididoza, 38  mampiditraangano, 39  sampona, 40  sendranymangidytsytelina, 41  tambana, 42  traboina, 43  tradoza, 44  voannypatsairaytsyombyvava, 45  voannytainakohomahalavo, 46  voina, 47  zo
Kamban-teny rehetra  48  Fikambanana 57 amin' io teny io
Ohabolana  49  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3)50  loza
Sokajin-teny  51  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  52 masiaka. [Bezanozano] [1.78]
53 Masiaka izaitsizy: Olon-doza, hono, izany Néron izany.
54 Enti-milaza olona na zavatra mampitola gaga, tsy eran-tany (na amin' ny lafiny tsara na amin' ny lafiny ratsy): Loza Ikoto raha hihazakazaka. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  55 angry, fierce, frightful. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  56 cruel, intraitable, dangeureux. [1.8]
Kamban-teny rehetra  57 fambara loza

Teny iditra (3/3)58  Loza
Sokajin-teny  59  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  60 fleuve de la préfecture d'Antsohihy formé par la confluence de la Doroa ... et la Tsinjomorana, forme, dans le canton de Befandriana, par la confluence de l'Ankazabo et l"Antsimpororona ... Il reçoit sur sa rive droite l'Ankofia grossie de l'Anjingo et l'Irony, la Maevarano ..., l'Ambariolava et l'Anjango. [1.11]
Voambolana  61  Haitoetany: renirano, farihy

Fivaditsoratra  62 lazo, 63 loza, Loza

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09