|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  ha-
Sokajin-teny  2  endritenin' ny hoe hatra
Fanazavàna teny malagasy  3 tovona atao ao alohan' ny anarana sasany hilaza refy: rano halohalika, fefy havalahana, hahekika, hatenda... ary amin' ity izy dia fanafohezana ny hatra, hatreo, hatramin' ny: hatramin' ny lohalika, hatramin' ny valahana, .... [1.10]
4 Fanafohezana ny hoe Hatra izay atovona amin' ny anaran' ny faritra sasantsasany amin' ny tena mba handrefesana ny halalin' ny zavatra toy ny rano na lavaka: Hahelika: hatreo amin' ny helika. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 a contraction of hatra, meaning up to: havaniana. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  6 abréviation de hatra, sert à former des adverbes marquant la hauteur ou la profondeur: halohalika ~ hahelika ~ havava. [1.3]
7 jusqu'à. [1.5]

Teny iditra (2/4)8  ha~
Sokajin-teny  9  tovona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  10 Tovona atao: a) eo alohan' ny mpamaritra milaza toetra mba hanaovana anarana milaza toetra ihany koa: Halava, hatsara; b) eo alohan' ny mpamaritra milaza toetra mitovana ina mba hanaovana matoantenin' ny iharana mifamaly amin' ny matoantenin' ny mpanao mitovona mana: Hatsaraina (manatsara), hafohezina (manafohy). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 a prefix to adjectives making them into abstract nouns, as hatsara, goodness, from tsara, good.. [1.2]
12 prefix used : a) to form abstract nouns. as : havo, high; hahavo, height; b) in forming passive verbs as : fohy, short; hafohezina, to be shortened. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 préfixe, sert à former: a) des noms abstrait, ex. : havo, haut, hahavo, hauteur; b) des verbes passifs, ex. hafohezina, qu'on raccourcit. [1.8]

Teny iditra (3/4)14  ha
Sokajin-teny  15  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  16 odre!. [Tanosy] [1.78]
17 Tenim-piontanana maneho: hatairana: Ha! marary hoe i dada?; fiaikena: Ha! marina tokoa lahy ny tanin' ilay Rangahy!; fandavana (tononina fohy): Ha, aza alana eo io sary io. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  18 an exclamation of approbation, disapprobation, or surprise. Hah! It is sometimes repeated, as Ha! Ha! Ha! There now!. [1.2]
Ohatra  19  ha, iza izany, hoy ny mpanjaka? [1.508#]
20  ha, hoy Ratovo, inona no antony? [2.895#]

Teny iditra (4/4)21  Ha    
Sokajin-teny  22  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  23 Singa mivaingana, faha-105 amin'ny fisokajiana miherina.. [3.1]
Voambolana  24  Simia
Tsanganana sy sary iray takila  25  Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12